Alahady 4 aprily 2021 – Fankalazana ny Paka. Nitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty – Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo – Evanjely Masina nosoraran'i Masindahy Joany 20, 1-9

Miarahaba antsika mianakavy tratry ny Paka. Velona tokoa ny Tompo. Resiny tokoa ny fahafatesana. Foana ny fasana. Maty tokoa ny Tompo fa nitsangana Izy afaka hateloanandro araka ny nambarany. Ny fifaneraserana, ny fifandraisana, ny fampianarana, ny fiaraha-mitoetra tamin’i Jesoa niarahany tamin’ny apôstôly sy ny mpianany ary ireo nanara-dia azy, izay nino azy, dia tsy foana fa teo am-pon’ireo nahalala azy mandrakariva.

I Madalenina dia anisan’izany. Vehivavy mahery fo. Niraiki-po tanteraka tamin’i Jesoa ka nahatonga azy ho tsy natahotra na kanosa fa sahy nandeha irery namangy ny fasana. Vokatry ny finoana sy fitiavana tao aminy izany. Tsy nieritreritra hahita zavatra mahagaga fa nandeha fotsiny amin’izao. Fa izy vehivavy no nahita voalohany ny porofo fa nisokatra ny fasana, voaesotra tamin’ny fasana ny vato. Zavatra tsara ny nataon’i Madalenina, tia an’i Jesoa Izy, fa nanadino ny hafatra, nanadino ny fampanantenana fa hitsangana ny Tompo afaka hatelona. Nihazakazaka namonjy ny apôstôly, nanambara ny zava-misy izy. Eto no ahitantsika ny fiainana maha kristianina. Fa ilaina ny Fiangonana hanampy antsika na inona na inona fahakingantsika na fahaizantsika. Ny Fiangonana no manampy antsika hanamarina ny fisalasalana, satria marina izy na dia tsy mendrika amin’ny maha olombelona fa nametrahan’i Kristy an’izany iraka izany.

Mila fanetren-tena koa isika amin’ny fiainana, i Joany no mampianatra antsika androany. Tonga mialoha teo amin’ny fasana, nahita ary nino fa niandry an’i Piera vao niditra. Zava-dehibe no atrehina ka tsara ny miandry ny tompon’andraikitra lehibe noho ny tena aloha ; tsara ny fahalalana mialoha fa avela ny Fiangonana no hanambara azy miharihary.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...