Zoma 10 janoary 2020 — Herinandro manaraka ny Epifania — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 12-16 — Nitory ny Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra i Jesoa, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin'ny olona.

0 : 00

 "Mety aho, madiova ianao", famantarana ny hatsaram-pon'Andriamanitra ny naneken'i Kristy hanasitrana ity lehilahy azon'ny habokana ity. Ny habokana mantsy teo amin'ny Jody, voalaza an'ny amin'ny boky Deterônômy 28, 27-33 dia isan'ny artein-dratsy vokatry ny fahotana. Aretina tsy azo hifapikasokasohana amin'ny namana, indrindra eny anivon'ny fiaraha-monina eny dia tsy maintsy miavaka amin'ny besinimaro. I Kristy anefa dia fantatr'ity lehilahy ity fa afaka mamerina azy indray ao anatin'izany fiaraha-monina izany noho ny finoany. Niankohoka sy nitaraina mafy taminy izy hanambarany hamafin'ny fijaliany noho io aretina mahazo azy io.

Antra sy mangoraka i Krsity ka nihoarany izany fady mangeja ny fiaraha-monina mametra ny isam-batan'olona tsy hifampikasoka, tsy hifandray izany, indrindra manavakavaka ity lehilahy marary ity. Nahinjiny ny tànany nanendry azy, sitrana ralehilahy. Sitrapon'Andriamanitra no nahatonga izany fahasitranana izany. Ny fitiavan'i Kristy no namonjena azy.

Ny hamonjy sy hanavotra ny olombelona tokoa no nahatongavan'i Kristy tety an-tany sy teo anivontsika. Indrindra moa fa manoloana ny fahotana izay mahazo antsika, ka rariny sy hitsiny raha mamaly ny fangatahan'ity lehilahy ity izy. Ary ho porofon'ny fahasitranany no nanirahana azy hiseho amin'ny mpisorona mba hidirany indray eo anivon'ny fiaraha-monina.

Tsapantsika amin'ity trangam-piainana ambaran'i Masindahy Lioka amin'ny Vaovao Mahafaly ity àry fa mamindra fo mandrakariva Andriamanitra ary ny hahasambatra antsika no kendreny. Mety maro ny karazana habokana miseho ao anatintsika ao, eny anivon'ny fiainana andavanandro eny, koa meteza mba ho sitranin'i Kristy, ary maneke hanaraka azy hanatona sy handray izay famindram-pony izay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...