Alarobia 3 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 17-28

Manampy antsika handalina ny maha-mpianatr’i Kristy antsika ny Karemy. Ny toetra mampiavaka voalohany ny mpianatra dia ny fahavononany handalo ny zava-mitranga amin’ny fiainan’ilay olona nanapahany hevitra fa harahina dia i Jesoa Kristy izay tsy maintsy hijaly sy ho faty. Io no làlana ahafahan’i Jesoa Kristy hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra Rainy. Natao haka tahaka Azy isika ary tsy ho gaga raha ho tonga tokoa izany (fanaratsiana, fanarabiana, fanamelohana amin’ny tsy ara-drariny, fampijaliana izay mety hiafara amin’ny fahafatesana koa aza izany) fa izany no hahafahantsika hiara-mandresy aminy amin’ny andron’ny Paka. Ny mpaminany Jeremia kosa no manoro antsika hoe ahoana no hiatrehana ireo karazam-pampijaliana ireo rahefa tonga ? Mila manankina ny fiainana amin’Andriamanitra amin’alalan’ny vavaka feno fitokiana aminy.

An’isany mampiavaka ny mpianatr’i Kristy ihany koa ny toe-tsaim-panompoana. Natao hanompo ny hafa isika fa indrindra ireo madinika. Midika izany, mila mahatsapa isika fa ny fahefana dia fanompoana. Endrika manokana fanehoana ny fanetren-tena izany. Indrisy anefa fa tsy tsapan’iretsy apôstôly, ireo nanara-dia akaiky an’i Jesoa Kristy, araka ny Evanjely androany izany lojika izany satria nihazakazaka tamin’ny toerana manokana eo akaikin’i Jesoa izy ireo, izany hoe nihazakazaka tamin’ny hiady toerana sy voninahitra ka tsy niraharaha akory izay lazain’i Jesoa tamin’izy ireo tamin’io fotoana io hoe : "Tsy maintsy ho faty ny zanak’olona ho famonjena", izany hoe ho tanteraka tsy ho ela ilay nambaran’i Izaia Mpaminany mahakasika an’ilay "Mpanompon’Andriamanitra tsy maintsy hijaly" mba ho famojena an’izao tontolo izao.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...