Alarobia 24 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 29-32

Nitangorona teo amin’i Jesoa ny vahoaka betsaka. Tsy hazo be no nianjera na vato be no nikodia, na lozam-pifamoivoizana no mitranga fa i Jesoa Zanak’Andriamanitra no mandalo ka itangoronan’ny olona. Mampianatra sy manao fahagagana Izy ka tsy avelan’ny olona mihitsy. Karemy ny andro ka aoka isika hankeo amin’i Jesoa, hanatona Azy fa tsy mitsahatra mampianatra antsika Izy. Aza be fialan-tsiny, manao izay handosirana Azy, toy ny hoe : be asa aman-draharaha, na koa variana amin’ny fitadiavana satria sarotra ny fiainana, hany ka manadino an’Andriamanitra, tsy manam-potoana hanatonana Azy intsony. Tsarovy fa na ny fotoana na ny asa dia Azy Tompo avokoa, ka maninona raha averina Aminy izay Azy ? Miaraka amin’Andriamanitra aza ankehitriny, amin’izao fiainana sarotra izao sahirana, mainka fa raha mandao Azy, tsy ho loza ! Marihina aloha fa eo foana Andriamanitra, tsy mandao izany na amin’ny mora na amin’ny sarotra fa isika no milefa matetika, tsy mahatanty lazon’ady, na tsy mahari-boakena fa maika sy matin’ny eo no ho eo, ny hita ihany. Koa aza miandry amin’ny zava-maha-poritra vao manatona Azy, fa na amin’ny fotoana na tsia, indrindra amin’izao karemy izao : ataovy vain-dohan-draharaha izany.

Manaraka izany, hatramin’izao isika no mbola iharan’ny lazain’i Jesoa hoe : “taranaka ratsy ity taranaka ity” raha mbola milona amin’ny fahotana sy hadalantsika ; tsy izay atao amin’Andriamanitra sy ny tenantsika na ny manodidina antsika ihany fa hatramin’ny tontolo iainana aza ka mampivadika ny toetr’andro ankehitriny. Ny ataontsika ihany matetika no mahavoa antsika, toy ny hoe mailaka ery isika mandoto sy manimba ny tontolo iainana nefa avy eo mimenomenona rehefa tsy misy orana. Tsarovy fa nataon’Andriamanitra mifampiankina sy mifameno ny zava-boariny rehetra, ao anatin’izany isika olombelona ; ka mila mibebaka amin’izany. Mitady famantarana ny olona tamin’ny andron’i Jesoa ka mandraka ankehitriny ; nefa i Jesoa efa famantaram-pamonjena lehibe eo anivontsika : maneho izany isan’andro Izy eo amin’ny Eokaristia na ny Lamesa, eo amin’ny teniny, eo anivontsika amin’ny fiainana atrehantsika io, fa isika matetika no tsy mahatsapa izany. Izy no Ilay mihoatra sy ambony noho i Jonasa, na i Salomona, ka iza indray angaha no tadiavina ankoatrany. Asakasak’izay miantehitra amin’ny olon-kafa, fa raha hitady ihany tsy aleo izay ambony indrindra ! Toy ny rano io e : ny tapany no mikobana fa raha feno izy tsy mihetsika ka tsy aleo ve ny feno ! Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zava-drehetra. Ka very isika sy tena ho voa mafy raha miala na misaraka Aminy. Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...