Talata 23 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 7-15

Anatin’izao karemy izao, takiana amintsika bebe kokoa ny vavaka. Tsy midika izany fa tsy mivavaka isika amin’ny fotoana hafa fa omena lanja misimisy kokoa izany amin’izao mba hanamafisana ny fifandraisantsika hatrany amin’Andriamanitra, Ilay miantso antsika hibebaka sy hiova fo, Ilay Mpamindra fo. Koa araka ity Evanjely ity, tsy ny fanaovana lavareny ny vavaka akory no dikan’ny hoe vavaka bebe kokoa fa ny fanaovana azy tsara. Tsy vavaka miolonolona, na mianjonanjona, fa ny akoho mihinam-balala no manao izany, tsy vavaka salobon-komana fa vavaka misokatra amin’ny hafa, vavaky ny samy zanak’Andriamanitra, ilay vavaka nampianarin’i Kristy antsika. Natombony tamin’ny hoe : Rainay. Io no vavaka tsy misy mpisolo tapisaka “ko” na “aho” fa betsaka ao ny hoe: “nay” na “anay” na “izahay”. Ny iantefany anefa dia tokana ka miverimberina ny hoe : “nao”, izany hoe : vavaka miantefa amin’Izy Andriamanitra Ray iombonana. Vavaka tsara sy modely ho antsika io vavaka io.

Fa ankoatra ny fanomezam-boninahitra Azy Andriamanitra sy ny fangatahana izay ilaina dia misongadina ao koa ny fahaiza-mifamela mba hahazoana izay nangatahana. Toa mora eo am-pitenenana izany fa sarotra eo am-panatanterahana, kanefa tsy maintsy atao. Sarotra izy raha mikombona amin’ny tena fotsiny ka mampanjaka lolom-po sy valifaty fa ho mora ihany izy raha toa ka misokatra amin’ny hafa ka mahita fiadanam-po tsy hay lazaina. Ny an’ny sasany aza moa milaza fa raha mamela vita ihany fa ny manadino izay nataon’ny hafa no tena mananosarotra. Tadidio tsara anefa fa firifiry moa, na anatin’ny andro iray monja aza, ny hadalana amam-pahotana ataontsika amin’Andriamanitra, kanefa ireny rehetra ireny fafany, hadinoiny, rehefa miverina Aminy isika fa ny indra fo no efa miandry izay miverina Aminy. Fa raha Izy Andriamanitra no manao lolom-po amintsika ka tsy mamela dia efa ho taiza angamba ny misy antsika. Soa ihany fa tsy izany Izy fa tsy misy afa-tsy fitiavana sy indrafo ao Aminy. Dia izany toe-po sy toe-tsain’Andriamanitra izany alaina tahaka, ka ataovy izay hananana azy. Ny akoho misotro rano no tsy sasa-miandrandra, ny biby no tsy mahay mifamela fa isika olombelona, zanak’Andriamanitra, rantsambatan’i Kristy : tsy mitsahatra miandrandra indrafo amin’Andriamanitra satria mahay mifamela sy mifankatia tokoa, tsy ampihatsaram-belatsihy fa amin’ny fo tokoa. Voadinika tsara mantsy izay atao ary ny fahasoavan’Andriamanitra manampy antsika mandrakariva. Koa mazotoa mivavaka sy manao izany amim-pitandremana, indrindra amin’izao karemy izao ka hamela izay nanao ratsy tamintsika, hizara indrafo aminy koa. Dia ho henoina ny vavaka ataontsika. Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...