Alatsinainy 1 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 1-20

Ry kristianina havana, fanasitranana lehilahy azon'ny demony no tantarain'ny Evanjely anio. Ity zava-nitranga ity koa no voalohany nataon'i Jesoa sy nihaonany tamin'ny tsy jody, araka ny Evanjelin'i Masindahy Marka. Tsy mpino sy mpanota, dia olona marary ireo, maloto, any amin'ny fonenan'ny maty. Ny filazana izay rehetra nanjo ity azon'ny demony, dia mahatonga saina hoe mihoatra ny herin'ny olombelona ny fanahy ratsy. Fanampin'izany, manampatra ny heriny ny demony, manao tambabe. Ny hoe lejiona mantsy dia filazana antoko miaramila mpiady, ivondronana vata-miaramila enina arivo eo hoe eo, araka ny lovan-tsofina tamin'ny andron'ny romana.

Nibaboka ny fahareseny anefa ny demony, rehefa tonga i Jesoa. Hany sisa heviny dia nitalaho tamin'i Jesoa mba ho any amin'ny kisoa : biby maloto araka ny Testamenta Taloha. Neken'i Jesoa ny handehan'ny demony ho any amin'ny kisoa, satria te hampiseho Izy fa ambony lavitra noho izay heverina ho harena ny maha olona, indrindra fa ny maha zanak'Andriamanitra. Nohafahan'i Jesoa tamin'izay mety ho namatoran'i Satana azy, ilay lehilahy : izay no asan'i Jesoa, mangoraka ny fahorian'ny olombelona Izy, manafaka, mamerina amin'ny laoniny ilay maha endrik'Andriamanitra nosimban'ny fahotana. Resy tanteraka ny demony, miorina tsikelikely kosa ny fanjakan'Andriamanitra.

Ho iray fijery amin'i Jesoa anie isika, hiray asa aminy satria nohafahana mba hanafaka, novonjena mba hamonjy, ary nampianarina mba hitory. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...