Alarobia 27 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 1-20

In-droa miantoana no fomba nampitan’i Jesoa ny fampianarany eto : eo aloha ny fanoharana momba ny voa afafy, izay miantefa amin’ny vahoaka rehetra, etsy an-daniny, rehefa nitokana kosa Izy sy ny mpianany dia nohazavainy lalindalina koa tamin’izy ireo ny hevitra fonosin’ny fanoharana. Toa miangatra i Jesoa amin’izany raha ny fomba fijerintsika olombelona, kanefa ao ireo vonona tanteraka handray io fampinarany io eo amin’ny fiainana ; eo kosa anefa ireo mihaino fa tsy vonona ny handatsaka izany ao am-pony. Oharin’i Jesoa amin’ny voa afafy àry, ny Tenin’Andriamanitra : tsy maintsy vonona ny tany hamafazana mba hitondra vokatra hojinjaina. Eny am-pitondrana ny voa afafy eny anefa, misy ireo raraka eny an-dalana. Mazava loatra, tsy haniry ireny, tonga dia ho lasa sakafon’ny voromanidina. Ny sasany latsaka anaty tsilo, matanjaka kokoa ny tsilo rehefa naniry niaraka aminy ka nangeja azy ; ireo rehetra ireo dia samy tsy nitondra vokatra avokoa. Ireo latsaka tamin’ny tany tsara kosa tonga namokatra be satria naniry tsara sy nitombo.

Ny mamafy ny voa voalohany indrindra dia i Jesoa. Rentsika ombieny ombieny fa indraindray tsy afaka nandray ny Tenin’Andriamanitra notorin’i Jesoa ny olona sasany tao amin’i Israely, raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy ireo Farisiana sy Mpanora-dalana ary ireo mpiray fiaviana Aminy tao amin’ny tany nahabe Azy, dia i Nazareta. Ilaina àry ny fanetren-tena sy ny fitiavana ny Tenin’Andriamanitra mba hampahavokatra azy eo amin’ny fiainana. Ilaintsika ny mandalina ny Soratra Masina mba tsy handraisana an-tendrony ny fampianarana ao ; Tenin’Andriamanitra io ka raha tsy ny Fanahy Masina no manazava azy amintsika dia tsy hitondra vokatra firy amin’ny fiainantsika izany ; tsy afaka hanova ny fiainantsika ho araka ny sitra-pon’Andriamanitra. Ny fivoasan’i Jesoa ny momba ny voa afafy rentsika tamin’ny Vaovao Mahafaly teo, no ahafantarantsika fa tsy misy afeniny amintsika ny hasina entin’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fiaianantsika ; afaka mitombo sy mahavokatra raha toa ka tena raisintsika am-pinoana sy tiavintsika ka mitondra tsiro ao amin’ny fiainantsika ao. Amen !

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...