Sabotsy 23 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 20-21

Tao anatin'ireo fotoana voalohany, nisehoan'i Kristy ampahibemaso, izany hoe, teo amin'ny fahatelopo taonany teo, araka ny maha olombelona Azy, dia efa hita sy tsapa ny nigagan'ireo olon-tsotra Azy, ary maro mihitsy ireo vahoaka nivory sy nanatona Azy, marihin'i Masindahy Marka eto izany. Izany no manaporofo fa tsy anisan'ireny olona miolonolona samirery ireny i Kristy, fa ny vahoaka no ifandraisany, ary izany mihitsy no iraka nanirahana Azy. Nanao ny ainy tsy ho zavatra tokoa Izy, nanatanteraka ny asany ary dia nanadino ny tenany mihitsy aza, ka na ny sakafo ilain'ny vatana aza dia tsy nasiany fotoana kely akory. Nilomano tao anatin'ny maha misionera azy Izy, ary tsy mahagaga raha nolazain'ireo havany hoe : "Efa very saina", satria nifanohitra tamin'ny fiainany telopolo taona lasa ny zavatra nitranga tao anatin'ny telo taona nanatanterahany ny sitrapon'Andriamanitra. Teo aloha, nangina ; nefa tao anatin'ny telo taona, niseho ankarihary, nitory teny tamin'ny vahoaka. Tsy nisy na dia tahotra kely akory aza, nanoloana ny fikasan'ireo Farisianina sy ny Herodiana hanenjika azy. Fakan-tahaka ho an'ireo iraka ankehitriny izany : ny toetran'i Kristy manao vaindohan-draharaha ny asa nanirahana azy, tsy matahotra na inona na inona, mba hiseho tsara izay asa ampanaovina azy izay, ary hahay handanjalanja ny zavatra mitranga, indrindra indrindra hahay hijery izay laharam-pahamehana eo amin'ny fiainana, ka tsy haninona na dia lazain'ny havana aza fa very saina.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...