Talata 12 janoary 2021 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 21-28

Ry kristianina havana ! araka ny noresahana tamintsika omaly dia manomboka ny iraka hampanaovin’ny Ray azy i Jesoa dia ny hamonjy antsika olombelona. Izay iraka ataony izany moa dia efa voafaritra any amin’i Izaia mpaminany toko faha 61 araka ilay hira fanaontsika matetika hoe "Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo…". Nitety ny tanàna sy ny vohitra maro i Jesoa manatona ny olona, manatanteraka izany vontoatin’ny iraka izany, dia ny famonjena antsika olombelona. Manamafy ny fanentanana sy ny fampianarana antsika tamin’ireny fankalazana ny Noely ireny moa izany, fa Izy mihitsy no te hiara-monina amintsika mba ahafahany manampy antsika amin’ireo fahalemena rehetra mpahazo antsika. Ny aretina koa dia anisan’izany fahalemena izany ka sitraniny izay sendra azy. Ny fitetezana tanàna sy vohitra maro dia asa mbola tohizin’ny Eglizy mandrak’ankehitriny ary hanentanan’ny Papa François antsika hoe "aoka isika mba ho Eglizy mivoaka" fa tsy mihanona na mijanona fotsiny amin’ny toerana iray raha tena miara-miasa amin’i Jesoa amin’izany fitoriana izany.

Asa iray lehibe mbola tohizin’ireo Mpiandry ondry solontenan’i Kristy ao amin’ny Eglizy mandrak’ankehitriny koa ny fampianarana. Izany no anisan’ny nataon’i Jesoa, voalazan’ny Evanjely teo. Nampianatra toy ny manana fahefana Izy. Fahefana avy amin’ny Ray no entin’i Jesoa mampianatra sy mandroaka ny fanahy maloto amin’ny olona. Fahefana ampitainy amin’ireo solontenany sy ny dimbiny ary fahefana hifandovana ka manampy antsika hiombona mandrakariva aminy sy ny Ray : matoky sy mino ary mandray izany fahefany mamela ny fahotana izany ao amin’ny Eglizy sy ny fampianarany mbola mitohy hatramin’izao ve isika, fa izany no entina manatanteraka ankehitriny ireo iraka mifototra amin’ilay voalaza tamintsika omaly hoe fibebahana sy finoana ny Evanjely ? Zava-dehibe ny hananantsika izany finoana arahana fahatokisana izany, fa izany no antoka ahafahantsika mandroso lalinadalina kokoa amin’ireo dingana ahafahan’i Jesoa mamonjy antsika. Ny demony aza teto, nino sy niaiky ary nanaiky azy ho ilay Masin’Andriamanitra. Misy tokoa manko na mivavaka aza izy dia toa misalasala, ilay Andriamanitra tokony hamonjy mihitsy no hisalasalana, hany ka ny famonjena tokony tadiaviny no mampametram-panontaniana. Hamonjy antsika no anton-dian’i Jesoa ary mitohy ao amin’ireo irany ankehitriny, koa meteza isika handray an’izany.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...