Alahady 27 desambra 2020 — Fianakaviana Masina — Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-40

0 : 00

Anatin’ny fetin’ny Fianakaviana Masina isika, ilay fianakaviana misy an’i Josefa sy i Maria ary i Jesoa zazakely. Araka ny Evanjely nambara tamintsika teo dia zavatra roa no nanamarika io fianankaviana io.

Voalohany, ny fihetsika nasehon’i Josefa sy i Maria, nankatoa ny lalana ka nanolotra an’ilay zanany lahimatoa ho an’ny Tompo ary nanolotra ny fanatitra araka ny voalazan’ny lalana. Ny lalana sy ny tempoly izay anisan’ny mirakitra sy mampiharihary ny fifandraisana lalina misy eo amin’Andriamanitra sy ny vahoakany. Fianakaviana mino sy nankatoa an’Andriamanitra ny fianakavian’i Josefa sy i Maria ary i Jesoa zazakely ; koa rariny raha toa ka raiki-tampisaka tao amin’i Jesoa ny fitiavana sy ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra Ray, noho ny lovam-panahy noraisiny tamin’ireo ray aman-dreniny. "Ny hazo no vanon-ko lakana, ny tany naniriany no tsara". Toetra fakan-tahaka ho an’ny fianakaviana rehetra ny Fianakaviana Masina satria miankina indrindra amin’ny toe-panahin’ny ray aman-dreny ny toe-panahin’ny zanaka, izay fototry ny maha olona.

Faharoa, ny ambaran’ireo fanatitra natolotr'i Josefa sy Maria, fanatitry ny mahantra. Tsy mba zanak’ondry fa domoina roa, maneho fianakaviana mahantra kanefa taranak’i Davida Mpanjaka ; ary mbola olo-mahantra koa no niandry sy nandray azy tao an-tempoly, kanefa ilay tonga mahantra mba hampanan-karena antsika olombelona no indro tonga ao an-tempoly. Ny fahantrana no fisokafan’ny fontsika olombelona handray ny famonjen’Andriamanitra, ny fahantrana no mariky ny fanekena mba ho fenoin’Andriamanitra ny fitiavany, dia ilay harena sarobidy mahasambatra antsika. Antso sy toe-piainana ataon’i Kristy antsika io, rahefa nanatanteraka ny iraka nankinina Izy miteny hoe : "sambatra ny mahantra".

Ny fandraisana an’Andriamanitra ihany no mampiova antsika sy izao tontolo izao. Hahatsapana fa mahantra fitiavana isika ka mila Azy Andriamanitra. Enga anie ny fianakaviana tsirairay avy mba haka tahaka ny Fianakaviana Masina, hiezaka ho fianakaviana misy an’Andriamanitra ka hifankatia sy hifanasoa ary ho andry hanatsara ny fiaraha-monina sy izao tontolo izao.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...