Talata 22 desambra 2020 — Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 46-56

0 : 00

Rehefa avy nifampiresaka teo i Maria sy i Elizabeta dia nipololoitra avy hatrany tao am-pon’i Maria ny fisaorana an’Andriamanitra, hany ka nanandram-peo izy hoe : “Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko…” Toa vavaky ny mpanetry tena ny azy ka tsy nihambo na nizahozaho na nirehaka na nieboebo fa nitodika tamin’Andriamanitra avy hatrany. Modely ho antsika izany. Firifiry moa isika mahazo fahasoavana toa an’i Maria no tsy mitodika amin’Andriamanitra fa variana amin-javatra hafa, toy ny fanadinana na asa na fivelomana, na vady na zanaka na fananana sy ny maro hafa ; talohan’izay anefa, izany hoe tamin’ny nangataka nipopopopo ery, nanao vavaka totoafo, nitalaho hahazoana ireny zavatra ireny fa rehefa azo toa lasa nidingin-drambo, hadino Ilay nahazoana azy. Aoka ho fisaorana lalandava no ho eo imolotsika, araka ny filazan’i Masindahy Paoly azy. Tsara mandrakariva ny mitodika amin’Andriamanitra amin’izay atao rehetra : na soa na ratsy izany, araka ny ohatra asehon’i Masina Maria amintsika eto. Fa misy amintsika koa, ankoatra izany, isaky ny miteny, toa voahaingo teny ratsy, ny an’ny sasany izany aza moa mibedy mbola arahina teny ratsy indray, ka ny ratsy aza no betsaka aloaky ny vava noho ny tsara ; kanefa anie io vava itenenan-dratsy io ihany no andraisana an’Andriamanitra e ! Na koa manao teny manindrona ny hafa ka maharary lavitra noho ny sabatra ny fiantefany. Ao ny mandatsa, manompa, maneso, manaratsy. Samy ratsy avokoa ireny. Koa aoka hiezaka isika hiala amin’izany, hanadio ny tenintsika.

Mitohy ihany eto ny tenin’i Maria : “fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny”. Tsy mitsahatra ny mitsinjo ny zanany Andriamanitra, isan’izany isika, fa isika no tsy mahatsapa izany matetika fa entin’ny fo miavonavona. Diniho fotsiny izao : maro ireo havantsika lavon’iny valan’aretina iny, ary na teo aza ny mafy tsy maintsy nosedraina vokatr’io valan’aretina io, noho ny fitsimbinan’Andriamanitra dia mbola eto ihany isika. Tsy hoe sanatria manao tsinotsinona ireny havantsika lavo ireny fa tsapa kosa fa mbola be lavitra io fitsimbinan’Andriamanitra antsika io, lehibe ny indrafony, tsy hay takarina ny fitiavany antsika. Ka tokony samy hanandram-peo toa an’i Masina Maria isika hanao hoe : “Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, fa notsimbininy aho”. Mijery ireo iva toetra Andriamanitra na avo fipetraka aza Izy satria iva fijery ; tsy mijery miakatra Izy fa midina, hany ka mahita ny miafina rehetra. Nataony niala maina ireo mpiavonavona, ka izany koa no mahatonga antsika hanova ny toetrantsika tratran’izany, hanana fanetren-tena satria izay manetry tena no asandratra, izay milefitra ihany no mandina, na somary sarotra aza izany indraindray eo anatrehan’ny zava-manahirana. Hanampy antsika hanana fanetren-tena hatrany i Masina Maria, renin’ny mpanetry tena, hahatonga antsika hanana fo vonona handray ny Mesia. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...