Sabotsy 19 desambra 2020 — Herinandro mialoha ny Noely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 5-25 — Ry ilay Atsinanana fibaliakan’ny hazavana mandrakizay sy masoandron’ny fahamarinana, avia ary omeo an’ireo izay mandry ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana.

0 : 00

Raha nampitodihan’ny Evanjely tamin’i Josefa isika omaly dia androany indray, andao hiara-hibanjina an’i Zakaria. I Zakaria ve ? Ilay lehilahy marina teo imason’Andriamanitra sady efa zoky olona. Indrisy anefa fa tsy mba nanan-janaka tamin’ny Elizabeta vadiny izy. Izany hoe tsy niteraka izy roa. Mety ho zava-pitranga eo amin’ny fiainana izany ! Olo-marina tokoa anefa izy ireo. Mafy tokoa anie izany hoe mpivady ara-dalana tsy mba nahazo taranaka sy tsy manana faramandimby ; hany ka lasa faneso sy tondroin’ny olona sasany molotra eo anivon’ny fiaraha-monina misy azy.

Nanoloana izany dia nihanta tamin’Andriamanitra i Zakaria, ary nanao lemozy tamin’ny vavaka saingy tsy nahari-pery ka efa nanary toky, tsy nino ny hahazo taranaka intsony. Nalain-kino izy raha ny tena marina noho ny teo-javatra nihatra taminy. Toa nila famantarana ny fahamarinan’izay voalazan’ny anjely izy. sanatrian’ny teny fa toa nisaka biby andavaka, saka matory no alaim-bolombava. Indro fa ho moana ianao hoy ny anjely. Nanjary moana tokoa izy ho setrin’ny tsy finoany, ka ny Teny tokony hampiteny azy moa tsy ninoany, ka tsy nahagaga raha tsy afa-niteny intsony izy mba hahatsapany fa mahery ny Tenin’Andriamanitra.

Tsy nampoizin’i Zakaria ho mafy toy izany ny valin’ny tsy finoany. Zatra mpitady ny manganana i Zakaria ka sendra ny mangidy tsy telina. Tsy omena tsiny izy ! Soa ihany fa nekeny izany famantarana nomena azy izany na dia navesatra ho azy aza. Nahazo ilay porofo notadiaviny mantsy izy, ka ny hafaliana amin’ny hahaterahan’ny zaza sahady no nameno ny fony. Hain’Andriamanitra foana ny mitarika antsika amin’ny lalam-piainana tena izy, raha matoky azy marina isika satria efa fantany amin’ny antsipirihiny ny fiainantsika ka izy ihany no afa-mameno ny tsy ampy sy izay mety ho banga.

Ry havana, tsy toetranAndriamanitra Mpahary ny mitsapatsapa antsika olombelona nohariany fa ny finoana raha tsy sedraina tsy ho matotra hoy i Masindahy Jakôba Apôstôly. Mety mihatra aman’aina izany anefa tsy maintsy mihafy sy misiki-ponitra isika raha te hahazo ny soa avy amin’Andriamanitra satria valala aza hono tsy azo raha tsy andriana hilika ary toy ny kapoka maharary ny voina mihatra ! anefa tian’Andriamanitra ny hahamasina antsika !

Tsy misy olana tsy mivaha izany eo amin’ny fiainanay rehefa miaraka aminao ry Andriamanitra saropiaro aminay, ka enga anie izahay hatoky anao lalandava ka hanamafy ny finoana efa ao aminay araka ny tenim-pinoana nambaran’i Masimbavy Terezy d’Avila hoe "Andriamanitra irery ihany dia ampy eo amin’ny fiainantsika". Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...