Alakamisy 10 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 11-15 — Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

0 : 00

Ry kristianina havana, tsara ampahatsiahivina amintsika fa ao anatin’ny herinandro faharoa amin’ny Fiaviana isika izao, fiomanana hitsena ny Tompo. Ka, anisan’ny manomana ny fontsika hitsena ny Tompo ny toritenin’i Joany Batista sy ny fandinihina ny oha-piainana nasehony. Amin’ity Evanjely ity àry, i Jesoa Kristy mihitsy no manentana antsika haka tahaka ny fanetren-tenany : nanetry tena izy satria tsy mba hanim-pitoloha no fihinany fa valala sy tantely remby ; tsy mba fitafiana mirentirenty ihany koa fa volondrameva sy fehikibo hoditra. Vokatr’izany, i Jesoa mihitsy no nanandratra azy. Hoy izy hoe : “tsy mbola nisy lehibe noho izy amin’ny samy natera-behivavy ; izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra”. Toetra tsara alaintsika tahaka àry io nananan’i Joany Batista io : rehefa manetry tena isika, dia Andrimanitra avy eo no manandratra antsika. Asehoy amin’ny andavanandrom-piainantsika àry izay fanetren-tena izay, eny fa na dia amin’ny zavatra faran’izay bitika indrindra aza.

Izay iny, fa hakantsika fampianarana ny tenin’i Jesoa hoe na lehibe aza i Joany Batista, ny kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy. Izany hoe, mampianatra antsika hibanjina ny fanjakan’ny lanitra i Jesoa ary hifantoka amin’ny fanomanana azy. Mahaliana tsara ny fomba nilazan’i Jesoa azy eto. Mpaminany lehibe i Joany Batista nefa kely manoloana ny fanjakan’ny lanitra. Eto dia sarihiko kely ny saintsika hifantoka amin’ilay vavaka fanaontsika andavan’andro ao amin’ny Rainay hoe : “ho tonga anie ny fanjakanao”. Izany hoe tena faniriana miredareda ao am-pontsika ny fahatongavan’izany fanjakan’ny lanitra izany. Araka ny voalazan’i Masindahy Cyprien dia hoe : I Jesoa ihany io Fanjakan’ny lanitra io. Ary mbola amafisin’ny KFK 2816 hoe efa talohan’ny fisiantsika io, nanatona antsika izy tamin’i Jesoa naka nofo, notoriana tao amin’ny Evanjely, eo anivontsika Izy amin’ny Eokaristia ary mbola ho avy amim-boninahitra. Noho izany, ny fananantsika rohim-pihavanana amin’i Jesoa no fototra ahazoantsika ny fanjakan’ny lanitra, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandraisana ny sakramenta. Tsy mba hita ao ny halatra, ny valifaty, ny fitaka, ny lainga, ny kolikoly... koa aoka àry ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenantsika mety maty.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...