Talata 08 desambra 2020 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38  — Arahaba, ry Maria feno hasoavana ; ny Tompo ao aminao ; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.

0 : 00

Ry kristianina havana, mankalaza an’i Masina Maria Virjiny notorontoronina tsy azon-keloka isika amin’izao 8 desambra izao. Maro ny zavatra tiana horesahina sy asongadina miainga amin’ny tenin’Andriamanitra teo, fa ny tiana ho asina tsindrim-peo dia ireto :

Voalohany, fofombadin’i Josefa i Maria. Tsy mahagaga araka izany ilay fanontaniany hoe : ahoana no ahatongavan’izany fa tsy mahalala lahy aho ? Izao mantsy, misy lalàna mifehy araka ny Soratra Masina ny antsoina hoe fofombady. Ny fofombadin’olona iray, tsy ho afaka ny ho fofombadin’olona intsony. Fizarana ny antsoina hoe “fidélité” na fifanajana izany. Manaraka izany, tsy mbola mahazo miray trano izy ireo. Koa eto àry, manaitra ny feon’ny fieritreretana ho an’ny mpifamofo rehetra sao very hasina mialohan’ny fotoana, voaitsakitsaka mialohan’ny fotoana ilay fifankatiavana.

Faharoa, “aza matahotra ry Maria fa sitrak’Andriamanitra ianao”. Voalaza mihitsy ny anaran’i Maria eto, entina ilazana hoe manokana sy miantefa amin’ny tsirairay ny antson’Andriamanitra. Mampahatsiahy antsika izany, ny nataon’i Jesoa tamin’ireo Apôstôly roa ambin’ny folo lahy. Koa amin’izao androntsika izao àry, miantefa amintsika tsirairay io teny io amin’izay manandrify antsika. Azontsika lazaina tahaka izao io hoe : “aza matahotra ry ray aman-dreny, aza matahotra ry tovolahy, aza matahotra ry tovovavy fa sitrak’Andriamanitra ianao amin’io andraikitra manandrify anao io”. Maneke ary matokia tanteraka an’Andriamanitra amin’izany fa Izy no mandamina ny sisa. Jereo eto, efa manana ny vinavinany sy ny programany ny fianakavian’i Maria sy I Josefa, kanefa napetrak’i Maria voalohan-toerana ny fanekena an’Andriamanitra, satria natoky Izy fa hain’Andriamanitra ny mandamina ny zavatra rehetra…

Ry havana, nomanin’Andriamanitra àry i Maria ho Renin’ny mendrika ny Zanany. Tsy mahagaga raha notorontoronina tsy azon-keloka Izy. Angataho àry ny vavaka ataony ho antsika rehetra mandray ny Zanany ao amin’ny Eokaristia Masina mba hiezaka ny hitandro ny fahamendrehana sy ny fahadiovana hatrany isika.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...