Sabotsy 21 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 20, 27-40 — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

0 : 00

Azo lazaina hoe antoko mpanohitra an'i Kristy raha ny Sadoseanina no tenenina satria hita miharihary izao ny tsy fankatoavany an'i Kristy raha resaka fitsanganan-ko velona no tenenina, ary fanontaniana bontolo be fotsiny izao no ataony. Dia nataon'i Jesoa tsy nanan-kalahatra tokoa izy ireo eto satria mazava ho azy fa ny fitsanganan-ko velona dia fiainana ao amin'Andriamanitra, fa tsy azo arahina ara-bakiteny fotsiny izao, eny fa na dia eo aza ilay vavaka manao hoe : "Ety an-tany tahaka ny any an-danitra". Ny fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra no atomboka ety an-any fa ny fombafomba maha olombelona kosa tsy hita intsony rehefa any an-danitra, sady mazava ny tenin'i Kristy hoe : "Tsy Andriamanitry ny maty Izy fa an'ny velona".

Koa sao misy alaim-panahy tahaka ireto Sadoseanina ireto koa isika hanohitra befahatany fotsiny an'i Kristy noho ny zava-misy hitan'ny maso. Ny Jody, indrindra ny Farisianina, tamin'ny andron'i Kristy dia nihevitra fa ny fitsangana-ko velona dia tohin'ny fiainana eto an-tany, ka mbola misy ny mpampakatra sy ny ampakarina ; ho an'i Kristy anefa dia misy fiovana satria fiainana ao amin'Andriamanitra izany ka tsy misy mpampakatra sy ampakarina intsony. Ny finoana sy ny fhatokisana an'Andriamanitra no ahatakarana izany. Andriamanitra no manome antsika ny fiainana. Izy no miantso antsika hiara-tsambatra Aminy indray andro any. Mila ezaka avy amintsika anefa izany.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...