Alahady 15 nôvambra 2020 — Alahady faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 14-30 — Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona ianareo.

0 : 00

Madiva hifarana ny ny taona litorjikan'ny Fiangonana ka mampahatsiahy antsika amin'izay tsara hataontsika izy amin'ny alalan'ny hafatr'i Kristy tamin'ny mpianany. Ny fanoharana mahakasika ny talenta eto dia fanoharana farany amin'ireo telo mampitodika amin'ny fiafaran'izao tontolo izao sy ny fiainana mandrakizay : eo ny fanoharana amin'ny virjiny folo ; eo koa ny fiavian'ny Zanak'olona amin'ny ora tsy ampoizina. Izany rehetra izany dia avondron'i Masindahy Matio hampivoitra ny fiafaran'izao tontolo izao. Manafatra ny mpianany i Kristy eto, mba tsy hanadino ny farany ka sanatria handevin-talenta toy ny mpanompo kamo, na koa hivadi-pitokisana amin'ny fifanarahana natao.

Matoky antsika Andriamanitra, ka manankina amintsika ny fahasoavany mba hampamokarintsika izany, mandritra ny fianantsika. Mitaky adidy sy andraikitra izany, indrindra amin'ny fahaiza-mitantana  izany fahasoavana omeny antsika izany. Mila herim-po ny fampitomboana ny talenta omen'Andriamanitra antsika tsirairay, araka ny foto-kevitra omen'ny Fiangonana anio hoe : "Ahazoana fahasambarana ny miasa amin-kerim-po", noho izany, tsy ny mpianany ihany no hafaran'i Kristy hanomana ny fiainana mandrakizay amin'ny fampiasana ny fahasoavany, ny talenta omena azy, fa isika tsirairay avokoa mba samy hanao izay tratra hampamokatra ny Evanjely, araka ity voalazan'ny mpanakanto iray ity manao hoe : "Tsy mamela anao hipetraka ny Evanjely. Fa ny tenin'Andriamanitra tsy natao ho henoina fotsiny, fa natao ho hita maso". Koa samia àry, mandray andraikitra hampiasa ny talenta ananany, hanasoavana ny besinimaro, mba tsy ho sanatria halaina aminao izany amin'ny farany, ka ho toy ilay mpanompo kamo tsy vanon-ko inona, hiatrika ranomaso sy fikitroha-nify amin'ny maizina.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...