Talata 31 desambra 2019 — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18 — Ny teny dia tonga nofo ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra.

0 : 00

Ry kristianina Havana! Ao anatin’ny havaloan’andron’ny Noely hatrany isika. Andro fahafito androany. Md Joany no naroso tamintsika teo ary fanombohany ny Evanjely nosoratany mihitsy izay feno dia feno tokoa ka tsy azon’iza n’iza ampiana indray. Evanjely efa naroso tamin’ny sorona atoandro tamin’ny fankalazana ny Noely io miantso antsika hibanjina ny misterin’ity Zanak’Andriamanitra tonga nofo ity sy ny maha Fahazavana lehibe Azy eo amin’izao tontolo izao. Misy teboka vitsivitsy ireto handinihantsika ny misterin’io Zanak’Andriamanitra tonga nofo io tian’ny mpanoratra ny Evanjely hisarihana ny saintsika.

Miendrika poeme mahaliana ny sofina no hanombohan’i Joany ny filazana an’i Jesoa eto “Teny”: tamin’ny voalohany ny “Teny”. Toa ampitahainy amin’ny tany am-piandohan’ny fahariana izany. Mitantara izy, mitantara zavatra efa lasa nefa mamohafoha ao anatintsika mandrakariva ny fanantenana entin’ity Teny tonga nofo ity, indrindra ny maha Fahazavana azy eo amin’izao tontolo izao. Endrika literatiora izany no hitondran’i Joany ny hafatra tiany ampitaina eto.

Nampiasa ny “Teny” izy: ny teny izay “verbe” hoy ny frantsay fa “logos” kosa amin’ny teny grika. Io teny io ihany no mahalaza azy ho antsika Malagasy fa misy heviny maro ho an’ny teny vahiny. Ireo mpandinika ara-pilozofia koa dia nampiasa betsaka io teny io satria anisan’ny mampiavaka ny olona ny teny, ahafahana sady manamora ny fifandraisana ny teny, fanehoana ny hakingan-tsaina sy ny fahaizana koa ny teny ary dia io izy ampiasain’i Joany amin’ny endrika literatiora io. Tamin’ny voalohany ny Teny dia i Kristy izany ilay Zanaky ny Ray mandrakizay nefa nomeny antsika hanehoany ny tenany ary endrik’izy Ray tsy hita, famirapiratan’ny voninahiny koa io Zanany io (He 1, 3), io Jesoa io no fanehoana faratampony ny Ray ary antoky ny fiainana mandrakizay (1Jo 1, 2)

Eo amin’io fehezan-teny voalohany io ihany i Joany dia mahateny indroa ny momba io Teny io izay adikany mazava fa Andriamanitra io: “…ao amin’Andriamanitra ny Teny… ary Andriamanitra ny Teny”. Io teny io no hamafisin’ny vavan’i Toma any amin’ny toko farany amin’ny Evajelin’i Md Joany (20, 28) hoe “Tompoko sy Andriamanitro”. Ny Evanjely manontolo izany dia tafiditra ao anelanelan’ireo: i Joany no mampiditra ary dia omen’i Toma ny valiny any amin’ny farany ary ny eo anelanelany rehetra dia manazava ny momba ity Teny ity avokoa.

Ho azy sy noho izy no nahariana ny zavatra rehetra ary Izy no fiainana. Ny fahariana no asa, sy fihetsika ary fanehoan’Andriamanitra ny Tenany ary dia ny hakanton’ny fahariana no maneho ny maha izy azy an’Andriamanitra izay tsy iza fa ambaran’io Teny tonga nofo io. Raha tsy misy io Teny io dia zava-poana ireo zavaboahary rehetra ireo. Ialan’i Kristy izany dia tsy misy dikany, tsy misy heviny ary azo lazaina koa fa tsy misy famonjena.

Tonga olombelona tokoa Andriamanitra, tonga miara-monina amintsika: Ao aminy ny lalantsika mizotra mankany amin’ny Ray. Banjino ity Fahazavana lehibe tonga ho antsika ity fa làlana tokana mitondra antsika mankao amin’ny Ray. Mahaiza miara-monina aminy fa izy no hitondra famonjena ho antsika.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...