Sabotsy 17 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-28 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 8-12 — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

0 : 00

Ny hoe : "miteny ratsy ny Fanahy Masina", dia fomba fiteny tsy dia mazava ao an-tsain'ny maro hoe inona izany, na hoe inona no hevitr'izany ? Ny miteny ratsy ny Fanahy Masina anefa dia azo lazaina hoe manidy fo amin'ny fahasoavana : tsy mamela ny Fanahy Masina hiasa ao anaty, tsy mihaino azy fa mandeha an-jambany. Nefa ny Fanahy Masina no miaro sy mankahery ary manoha antsika. Koa aoka isika hanana fo malalaka, hanome laka ny Fanahy Masina hiasa tanteraka ao anatintsika ao, fa izany no antony handraisana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, mba ho vavolombelon'ny finoana, hijoro hiaro ny finoana ka ho miaramilan'i Kristy hampiaina sy hamelona ny Fiangonana.

"Aza manahy izay hamalianareo, na izay ho lazainareo fa atoron'ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany izany". Tenin'i Kristy tamin'ny mpianany izany ary mbola mipaka amintsika ankehitriny. Toy ny nahazo ny mpianatr'i Jesoa, dia tsy maintsy mandalo fanenjehana sy fisedrana ny fiainana sy ny asa fitoriana, koa ny Fanahy Masina no hanampy sy hanazava ny saina ahitana ny lalan-kombana. Koa aoka àry isika, tsy hitompo teny fantatra na hiantehitra amin'ny herin'ny tena. Avia midina, ry Fanahy Masina, fa Ianao ilay nirahina ho mpanamasina. Avia midina, ry Fanahy Masina, vonjeo ny fonay, fa miandry Anao izahay. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...