Sabotsy 10 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 27-28 — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

0 : 00

Ry kristianinana havana, efa iaraha-mahalala moa fa ny andro sabotsy toy izao dia ahatsiarovana manokana an’i Masina Maria. Izy ilay voalazan’ny Evanjely fa migoka ny fahasambarana satria nitondra an’i Jesoa sivy volana an-kibo ary mahafeno ilay voalazan’i Jesoa ihany koa hoe nihaino ny tenin’Andriamanitra sy nitandrina Azy. Any amin’ny Lioka 1, 48 aza dia i Masina Maria mihitsy no milaza hoe : “Hatramin’izao dia ataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho”.

Ho antsika àry, tokony hahatsiaro sambatra ihany koa isika rehefa mandray ny Eokaristia Masina satria mitondra ao anatintsika an’i Jesoa, mitondra ao ankibontsika an’i Jesoa. Hoy rahateo mantsy ny hirantsika hoe : “Raha te ho sambatra ianao, raiso ao am-po i Jesoa”, sy ny hoe “Inty ny ora sarobidy hitsanganako, handraisako ny Tenanao ry Jesoa, ô sambatra aho re”. Tanteraka tokoa io raha raisintsika am-pahamendrehana io Eokaristia Masina io. Fa, fanamelohana ho an’ny tenantsika ary fanimbazimbana zava-masina raha ao anatin’ny toe-pahotana mahafaty isika no mandray azy. Noho izany, azo tenenina araka izany ny hoe : sambatra ny kibon’ny kristianina izay mitondra anao am-pahamendreha ry Jesoa.

Manaraka izany, isan’ny loharanom-pahasambarana koa araka ny fampianaran’i Jesoa eto ny mihaino ny tenin’Andriamanitra. Ny tenin’Andriamanitra tokoa dia dradradradraina amin’ny fomba maro ankehitriny. Mandalo eo amin’ny sofin’ny maro izy ireny, reny fa mijanona hatreo ihany. Izay ilay hoe mandre ny tenin’Andriamanitra. Ny mihaino ny tenin’Andriamanitra kosa dia tsy mijanona eo amin’ny hoe mandre fa manaiky ho ahitsin’izany ny fitondran-tena, ny toe-tsaina sy ny toe-po ary ny toe-panahy. Io ilay hoe mitrandrina azy. Eto dia derain’i Jesoa ny mihaino ny tenin’Andriamanitra, izany hoe mahare izany arahina fitandremana azy.

Aoka àry tsy hosodokan’ny kisarisarim-pahasambarana isika. Tsy ny zava-boahary mantsy no tena mahasambatra fa ilay Mpahary. Tsy ny mandalo fa ilay maharitra mandrakizay. “Masina Maria Renin’Andriamanitra ô, mivavaha ho anay mpanota, ankehitriny ary mandrakizay” Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...