Zoma 27 desambra 2019 — Masindahy Joany Apôstôly Evanjelista — Evanjely masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 2-8 — "Midera anao izahay Andriamanitra ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon'ny Apôstôly be voninahitra, midera anao ry Tompo."

0 : 00

Nosafidian'ny Eglizy ity Evanjely ity amin'ny andro fankalazana an'i Masindahy Joany noho ireo fambara tamin'ny fitsanganan'i Jesoa Kristy ho velona. Tonga talohan'i Piera teo amin'ny fasana i Joany saingy niandry azy vao niditra: nanaja ny fahefan'i Piera izay nofidian'i Kristy ho filohan'ny Eglizy. Na inona na inona fahaizantsika na fahakingantsika dia mila maka tahaka an'ity toetran'i Joany ity: manaiky ny fahefana ao amin'ny Eglizy.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...