Alakamisy 26 desambra 2019 — Masindahy Etienne Martiry — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 17-22 — "Isaorana anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo. Ny Tompo Andriamanitra mpanazava antsika."

0 : 00

Ao anatin'ny fotoana tena sarotra indrindra no hahihtana ny finoantsika sy ny fitiavantsika an'Andriamanitra. Tian'i Kristy ireo mpianany sy isika kristianina izay milaza fa mpanara-dia azy mba hizotra ny làlana nodiaviny, dia ny tsy fivadihana amin'Andriamanitra Ray na inona na inona zavatra miseho eo amin'ny fiainantsika.

Mankalaza an'i Masindahy Etienne koa ny Fiangonana androany. Isan'ireo diakra fito mirahalahy voalohany mba hanampy ireo Apôstôly sy anisan'ireo martiry voalohany noho ny finoana an'i Jesoa Kristy. Tsy mba natahotra ny hampanjaka ny fahamarinana izy, ary tsy nanadino ny namela ny helok'ireo namono azy.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...