Alahady 23 aogositra 2020 — Alahady faha-21 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-20 — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

0 : 00

Mihaona amin’ny mpianany i Jesoa, manao jery todika ny zava-bitany sy ny fahalalan’ny olona azy i Jesoa. Satria na maro aza ny fitoriana nataony, na teo aza ireo fahagagana sy fanasitranana marobe toa mbola maro no misara-tsaina noho ny aminy. Oharin’ny olona amin’ireo mpaminany fanta-daza tao amin’ny Testamenta Taloha izy.

Manoloana ny fanontaniana napetrak’i Jesoa, dia tena lalina tokoa ny valin-tenin’i Simôna, tsy araka ny fihevitr’olombelona na ny nofo aman-drà. Raha ny saina maha olona tokoa manko dia tsy hahatakatra ny misterin’Andriamanitra. Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona. Ny finoan’i Simôna milaza ny momba an’i Jesoa maneho fa voataona hanatona ny Ray Izy. Tsy misy mahay manatona Ahy hoy i Jesoa raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy (Jn. 6, 44). Fanomezan-tsarobidy avy amin’Andriamanitra ny finoana. Ary io finoana io no nametrahan’i Jesoa andraikitra sy fahatokisana lehibe taminy : Vatofototra iorenan’ny Eglizy, mpitondra teny sady lohany amin’ny Apôstôly, mpiandry ondry nanarakaraka an’i Jesoa.

Fa isika koa dia vato velona andrafetana ny Fiangonan’i Kristy, amin’izay misy antsika sy ataontsika. Tokony ho tsapantsika fa tsy izay heverintsika ho mety amintsika no atao hoe finoana, fa fanomezan’Andriamanitra. Meteza àry ampianarin’Andriamanitra, aza ankinina amin’ny filàna maha olona ny atao hoe finoana ka hanaovana varoboba azy na anariana azy toy ireo fampianaran-diso aely amin’ny tambajotra sosialy. Manàna faharetana, ary amafiso ny fiombonana amin’ireo dimbin’ny Apôstôly, fa izy ireo no anankinana ny finoana marina. Ao anatin’ny Eglizin’i Kristy naoriny tamin’ny Apôstôly no tokony hanovozantsika ny fahazavàna marina mitondra eo amin’ny Kristy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...