Sabotsy 22 aogositra 2020 — Herinandro faha-20 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12 — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

0 : 00

Mazava ny tenin’i Jesoa tamin’ny vahoaka sy ny mpianany eto mahakasika ny Mpanora-dalàna sy ny Farisianina, izay mety mahakasika antsika ihany koa aza matetika : be filaza fa tsy manatanteraka, izany hoe lasan-ko vavany toa haron-tabebaka, mpihatsaravelatsihy, savony vava, hoy koa isika. Ny tranom-pody no vitan’ny vava fa ny fampiasana na ny fampiharana azy mila hery mandrakariva : herim-po, herin-tsaina, herim-batana aza. Ahitsin’i Jesoa izany satria tsy mety ny be famaritra nefa tsy ampy na tsy misy fanatontosana akory na koa toy ny mpitari-bato vilam-bava ka hafa no lazainy ary hafa ny tondroiny. Fa ny atao no mahasarika.

Koa aza malaky manilika andraikitra, satria hoy i Jesoa namarana azy teo hoe : “Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo” Ka izay miteny na mibaiko tsy ho mpiteny na mpibaiko fotsiny fa izy no aoka ho voalohany manatanteraka ny teneniny, toy ny nataon’i Jesoa hoe : “Tsy misy manam-pitiavan-dehibe noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany” Notanterahany tamin’ny alakamisy masina tamin’ny nanolorany ny Tenany tamin’ny Eokaristia ary nolavorariany tamin’ny nifantsihany teo amin’ny hazofijaliana izany.

Fakam-panahy mahamaika sy mahadodona ihany koa ny manao zavatra iray mba ho hitan’ny olona. Ny fitenintsika anefa manao hoe : “Atrehina mahefa, iambohona mahavita” ka tsy tokony hihazakazahana mba ho hitan’ny hafa izay atao ; raha tsy izany toa lasa fisehosehoana, na fieboeboana, na fizahozahoana, na filan-dera, na fisekosekoana, na fanambonian-tena, na fianjonanjonana. Hany ka lasa mamohehitra indray na tokony ho tsara aza ilay natao. Tsarovy fa ny akoho mihinam-biby no mianjonanjona, tsy izany anefa isika fa kristianina vita Batemy. Ka na fitafy na fiteny na fibango na fanao somary atao miavaka kely mihitsy isarihana olona, araka ny voalazan’i Jesoa eto ihany : “Filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny, ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana, ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagoga, ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby”. Tandremo koa sao miseho ho katsaka miakatra ho avo kanefa ladinin’ny tsaramaso izay iva. Fanampin’izany, aza mifandrabiraby na mifandrobiroby na koa mifandrebireby, rehefa manao zavatra manjary mifanafintohina fa aelo aza mifanohintohina sy mifanohatohana. Raha tsorina tsy mety mihitsy ny miavonavona ! Aza miseho milay izany.

Misy hatsaram-panahy atoron’i Jesoa antsika, mifanohitra amin’io avonavona io, namaranany ny teniny teo, ka tsara ilofosana sy kandranina mafy, dia ny fanetren-tena. Hoy Izy hoe : “Izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra”. Koa amin’izao fahatsiarovana an’i Masina Maria, Mpanjakavavy izao, ohatra velona amin’ny fanetren-tena izy ka na voafidy ho renin’Andriamanitra aza izy, tsy nentiny nisehoseho izany fa nietry tena hatramin’ny farany izy. Ny nandinika tao am-pony ny zava-niseho rehetra no nilofosany ka nasandratr’Andriamanitra ho mpanjakavavin’ny lanitra izy. Hivavaka ho antsika izy hananantsika izany fanetren-tena izany ka ho afaka amin’izao valan’aretina mangeja mafy antsika izao isika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...