Zoma 21 aogositra 2020 — Victoire Rasomanarivo, Olontsambatra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8 — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo.
Amin’izao fetin’i Victoire Rasoamanarivo, vehivavy lahika Malagasy voalohany olontsambatra izao, mampahatsiahy antsika ny Evanjely aroso amintsika ny maha iray antsika ao amin’i Kristy. Tonga fototra iray ihany ao amin’i Kristy tokoa isika, noho ny Batemy noraisintsika, koa raha iray fototra dia iray fiaviana, iray aina aminy ka lasa mifampirantsam-batana ao aminy koa avy eo. Araka izany, ohatra ny ladim-boatavo ny olombelona ka raha fotorana iray ihany, toy ny embok’akondro ihany koa ka raha manondro ny lanitra iray ihany fa raha miondrika toa samy manana ny ankolafiny. Ilaina mandrakariva ny fiombonana amin’i Jesoa mba hampamokatra antsika. Tsy ampy ny miray aina aminy fa takiana vokatra isika dia ny hoe : mamokatra. Koa raha voaloboka ny fototra dia voam-boaloboka no andrasana, izany hoe : raha voaloboka ny fototra aoka tsy ho tsilo na zavatra hafa ny voany, ary tsy voa iray na roa fotsiny, na koa marikivy fa maro sady vokatra be. Anjaran’ny rantsana no mamoa fa ny taho no mamelona, miainga avy amin’ny fakany, ankoatra ny rano sy ny rivotra ary ny zezika na ny sakafo ilainy.
Raha te hitondra voany be toa izany anefa tsy mety ny samy maka ho azy fa tsy maintsy miray aina Aminy hatrany. Koa raha ain’Andriamanitra tokoa ve no ao amintsika, nahoana no tsy hampamokatra antsika. Tena marina fa ain’Andriamanitra no ao amintsika saingy takonan’ilay ratsy, maloky ny fahotana matetika, difotry ny hasomparana isan-karazany ka tsy mahazo aina ilay aina avy amin’Andriamanitra. Koa raha tiana hahazo aina indray dia ilaina ny fandrantsanana, amin’izay mamoa bebe kokoa. Koa efa nodiovina sy nofafana avokoa ve ny loto mameno antsika, sao dia matahotra fandrantsanana isika. Tsy mora mantsy matetika ny rantsanana fa maharary, misy zavatra efa nahazatra tsy maintsy esorina, dia ireny fomba mamohehitra sy hadalana isan-karazany ireny izay tsy mifanaraka amin’ny maha rantsam-boaloboka na ny maha kristianina raha tsorina. Aza iandrasana olon-kafa no handrantsana azy matetika fa na isika ihany aza dia ho afaka manala izany, toy ireny rantsana maina ireny. Ny fampianaran’i Jesoa no manampy antsika hanao izany, araka ny teniny eto, izy no manadio antsika, ka mahaiza mandray ny fampianarany isika. Tsy ampy ny hoe mandray fotsiny fa miezaka miaina azy mihitsy.
Inona moa ny fampianaran’i Jesoa raha tsy ny fitiavana. Dia izay no ilazany amintsika hoe : Aoka isika hitoetra amin’ny Tompo mba hitoerany, izany hoe ao amin’ny fitiavany. Raha tsy Izy mantsy tsy mahefa na inona na inona isika. Io ihany no tena sakafo mampamokatra antsika. Izany hoe raha kely fitiavana isika dia ho kely ny vokatra azo, fa raha be fitiavana isika dia ho vokatra miavosa no ho azo avy eo. Ary raha mamokatra isika aza ny voninahitra ho an’ny tenantsika no tadiavina fa ho voninahitra ho an’Izy Ray. Izay no takiana amintsika. Aza ampifamadihana mihitsy.
Mova tsy toy ny nataon’i Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra, ankalazaina fety izao, fa rehefa noroahina ny misionera dia izy no andry niankinan’ny finoana teto amintsika. Tsy nikemo tamin’izany izy fa, noho ny fitiavana tao aminy, dia namokatra be, araka izao ahitantsika azy ankehitriny izao. Na tsy nisy lamesa intsony aza natrehiny isan’andro toy ny mahazatra azy tamin’izany, ny finoany naneho fa miombona amin-dry mompera manao lamesa any amin’izay misy azy any izy. Koa angataho i Victoire mba hanamafy ny finoantsika sy hivavaka ka hitsaharan’izao valan’aretina mahatsiravina mandripaka antsika izao. Ataoko fa tsy hijery fotsiny antsika izy amin’izany fahoriana mianjady amintsika izany.