Talata 18 aogositra 2020 — Herinandro faha-20 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 23-30 — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Raha mandray maimaika ny tenin’Andriamanitra ka mihinana amam-bolony dia tsy hahazo ny heviny sy izay tiany hambara mihitsy, ka aoka tsy izay ao an-tsaina no andraisana azy fa meteza handray izay omena. Izany no nahatonga ireto mpianatr’i Jesoa ireto ho gaga tamin’ny teniny ka nahalasa eritreritra azy ireo hoe : “Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy ?” I Jesoa eto tsy milaza hoe tsy ho tafiditra any an-danitra mihitsy ny mpanan-karena fa hoe : “Sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra”. Koa rehefa hay ny mampiasa ireny harena ireny araka ny tokony ho izy dia mivoha midanadana ho azy ireny ny lanitra, izany hoe : ny harena entina hitiavana an’Andriamanitra bebe kokoa sy hanasoavana ny hafa fa tsy atao salobon-komana fotsiny any. Avy aiza moa no nahazoana ireny harena ireny, tsy avy amin’Izy Tompo ihany ? Koa maninona raha entina itiavana Azy izany fa tsy hanadinoana na hanambaniana Azy ! Tsy entina hanalavitana an’Andriamanitra ny harena fa entina hikatsahana Azy.
Fanoharana no entin’i Jesoa ny amin’ny maha sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra : toa zavatra tsy mety ho tanteraka, kanefa tsarovy fa tsy misy tsy ho hain’Andriamanitra atao. “Tsy hain’olombelona izany, fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra”. Izao no tokony atao an-tsaina : raha ny harena no amboniana noho Andriamanitra dia tsy ho tafiditra any mihitsy satria vao mainka manalavitra Azy ka manary tena izay mitoky amin’ny harena fotsiny ihany. Fa izay mahay mampiasa ny harena kosa, tsy hanan-tahotra satria entiny mikatsa ny fanjakan’ny lanitra ny harena azony. Ny harena mantsy toy ny volon’orona, ka na kely na be alàna dia samy maharary avokoa. Koa raha fo milafin-karena tsy mahalala afa-tsy harena dia ho voa mafy, fa aoka hikatsahana an’Andriamanitra mandrakariva, eny hatramin’ny harena aza.
Fialan-tsiny no betsaka ataontsika, toy ny hoe : koa raha tsy eo ny vola aman-karena tsy afaka hifanasoa, na hifanampy na hifamonjy akory e ! Ny an’ny sasany izany aza, tsy ahalalan-kavana intsony ny harena ka anaovana omby mahia tsy lelafin’ny namany, tany avo avaratra… Tsy mety ny mahay atsy sy aroa ; ny fy atsy, mamy ny aroa, tsy mety ny fandria-mafana sy ny valala manatody atao indray maka na koa ny manejika bitro roa ; koa mahaiza misafidy.
Fa ankoatra izany, nanontany an’i Jesoa ny mpianany, i Piera no marina kokoa, ny amin’ny fahafoizana ka novalian’i Jesoa tsara, fa izay mahafoy dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay. Tsy miandry any an-danitra fa efa santarina dieny mbola ety an-tany. Toa manamafy izany fa rehefa tsy misy mamatopatotra, na manakatsakana, na olona na havana akaiky izany na fanana, izay tsy maintsy afoy avokoa, dia ho azo ny fiainana mandrakizay. Tsy misy izay tsy mahafoy ka tsy hahazo ny valiny avy amin’izany. Izao anefa, mety hifamadibadika eo araka ny namaranan’i Jesoa azy teo hoe : “Maro izay voalohany no ho farany, ary maro koa izay farany no ho voalohany”. Tsy hatahorantsika anefa izany satria tena nahafoy marina tokoa isika. Amen.