Alatsinainy 17 aogositra 2020 — Herinandro faha-20 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 16-22 — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

0 : 00

Azo hatonina i Jesoa ka mety na miaraka na samirery. Eto izao, olona iray no nanatona Azy, nanontany hoe : “Ry Mpampianatra tsara ô, inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay ?”. Voalohany aloha, ilay olona no namariparitra an’i Jesoa hoe : “Mpampianatra tsara”. Manaraka, ny faniriany hahalala ny tsara hataony hahazoany ny fiainana mandrakizay. Fa tsy nanontaniany ny ratsy ialany na izay tsy ampy amin’ny efa ataony. Koa tsy isika olombelona zava-boaary no hahay hamaritra ny Mpahary azy ka hahafantatra Azy araka ny tokony ho izy, fa izay fantantsika ihany no entintsika mamaritra Azy ka ilaina ny mampitombo izany fa tsy mijanona amin’ny efa hay hatramin’izay. Ho feno izany rehefa hifanatrika Aminy isika indray andro any.

Manaraka izany, ny faniriany hahazo ny fiainana mandrakizay, toy ny ankamaroantsika ihany koa, samy mihevitra sy mikendry izany. Izao anefa, faniriana io ka tandremo sao be faniry fa kely fila, na koa ny faniriana manakatra ny lanitra fa ny atao tsy tonga eo antokontany akory ! Ary ny hoe : Aza manao toy ny jorery : ny feony miampita lohasaha fa ny tenany tsy ampy indraim-bava akory ! Fa ilaina ny mampifanaraka ny faniriana sy izay atao hikatsahana azy.

Mazava eto ny valin-tenin’i Jesoa : Ny fitandremana ny didy no voalohany, raha te hahazo ny fanjakan’ny Lanitra. Tanisain’i Jesoa ny santionany amin’izany, araka ny efa henontsika teo. Fa voatandrintsika ve ? Mila ezaka izany. Fa tsy ampy anefa izany fa mila mandeha lavidavitra kokoa raha te ho amin’ny fahalavorariana : Amidy ny fananana dia omena ny mahantra, ary manaraka an’i Jesoa. Aza mionona amin’ny fanarahan-dalàna fotsiny ihany fa manao mihoatra izay voasoratra ka tonga hatramin’ny fahafoizana, na vola na harena na fotoana na fananana, ho an’ny hafa. Izany hoe tsy mifikipikitra amin’ny zavatry ny tany. Aoka tsy hisy hamatopatotra, fa amin-kalalahana tsara no hanarahan-dia Azy Tompo ; fa raha tsy izany mety hiala amin’alahelo, misaraka dieny tsy misy maratra. Satria mantsy, ny harena mety hamatopatotra tsy hiombonana tanteraka amin’Andriamanitra raha tsy hay ny mampiasa azy, nefa koa mety ho fanoitra hahazoana ny fanjakan’ny lanitra raha entina manompo Azy Andriamanitra sy ny hafa.

Koa izay mahay manana, hanan-droa ; fa raha tsy mahay manana, ny eny tanan-droa mety ho foana avokoa. Tsy maintsy mahafoy raha te hahazo kokoa. Eto izao mbola voafatotry ny harena ity olona ity ka tsy nahafoy izany, aleony niala sy nisaraka tamin’ny Tompo, toy izay hahafoy harena ka voa mafy izy. Natakalony harena Andriamanitra. Ambony fikendry nefa tsy maharaka ny hoza-pe, tsy nahafoy. Tandremo ny ohatra izany fa loza ! Ny leviora no mampibontsina ny koba, fa ny fananana no mampibohoka ny avonavona sy ny fahihirana ka mampisaraka amin’ny Tompo. Tsy ny fananana be akory no tapakila entina hahazoana ny lanitra, satria tsy voavidy vola na fananana ny lanitra. Izany koa tsy midika fa hoe ny tsy fananana izany no takiana, tsia. Fa isika tsy voafatopatotra no tena izy, dia ny fitiavana sy ny fahafoizana no fanalahidy atoron’i Jesoa eto hahatongavana any. Koa aoka isika hitandrina tsara sy hilofo ny amin’izany. Tsara ho kinendry mantsy ny hanatonana Azy Tompo fa tsy sanatria ny hihatahana aminy. Koa mitadiava hevitra mba hahatongavantsika rehetra any amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...