Sabotsy 15 aogositra 2020 — Nampakarana an'i Masina Maria — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56 — Nampiakarina any an-danitra i Maria, ka mifaly ny tafiky ny Anjely.

0 : 00

Ny andro faha-15 volana aogositra toa izao dia isan'ny vanim-potoana lehibe nomen'ny Fiangonana lanja, satria hankalazana an'i Masina Maria nampiakarina vatana sy fanahy any an-danitra. Raha tsiahivina ny ara-tantara dia tany amin'ny taona 1594 no efa nanasongadinan'i Grégoire de Tours ny "Assomption" na ny fampakarana an'i Masina Maria, vatana sy fanahy, any an-danitra, fa taty aoriana be kosa, izany hoe tany amin'ny volana novambra 1950, dia nambaran'ny papa Ray Masina, Pie XII fa ny "Assomption" dia fety voadidy ho hamasinina ao amin'ny Fiangonana, ary "dogme" na foto-pinoana, ka nolazaina fa i Masina Maria dia nampakarina any an-danitra, vatana sy fanahy.

Ry kristianina havana, inona avy àry ireo foto-pinoana hanajan'ny Fiangonana katôlika an'i Masina Maria ? Ireto avy izany : Voalohany, Renin'Andriamanitra izy, satria nofidian'Andriamanitra ho renin'ny Zanany. nanokana vehivavy iray Andriamanitra ho mendrika hitondra ny Zanany, dia i Maria. Faharoa, renintsika olombelona izy, satria i Jesoa Kristy mihitsy no nanolotra azy, tamin'ny alalan'i Masindahy Joany teo am-pototry ny hazofijaliana hoe : "Ralehilahy, indro ny reninao". Hitantsika ao amin'ny Masindahy Joany 19, 21b. Ny fahatelo, sady virjiny izy no reny, izany hoe tsy nisy fifampikasoham-batana teo amin'ny vadiny, fa vehivavy mahay manaja tena, mahay mahonontena, maotina ara-batana, fa tanteraka kosa tamin'ny alalan'ny fiaraha-miasan'Andriamanitra sy ny Fanahy Masina.

Ankoatra izay, ny antony hitaoman'ny Fiangonana antsika mba hanaja sy ho tia manokana an'i Masina Maria, dia ireo hatsaram-panahy manokana nananany voarakitry ny Vaovao Mahafaly androany. Eo aloha ny fahaiza-mizara hafaliana sy fahaiza-mizara fahasoavana, araka ny voambara ao amin'ny Tononkiran'i Maria hoe : "Ny foko midera ny Tompontsika, ny saiko mifaly amin'Andriamanitra". Toa mampahatsiahy ny tenin'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely hoe : "Ny fahasoavana dia tsy mitombo raha tsy zaraina". Ankoatra izay, dia ny fanetren-tenan'i Maria, satria rentsika tamin'ny famaramparanana ny Vaovao Mahafaly teo, fa hoe : "Niainga i Maria, nandeha haingana, ary nitoetra tokony ho telo volana tao amin'i Ellizabeta izy". Ny endriky ny fanetren-tenany, dia noho izy nanaiky hisahirana ho an'ny hafa, izany hoe, ho an'ny rahavaviny. Mandraka ankehitriny, dia mbola manaiky hisahirana ho antsika tsirairay avy koa izy, mitondra ny hetahetam-piainantsika, mitondra ny vinam-piainantsika ao amin'i Jesoa Zanany. Ary jereo, fa ny olam-piainana rehetra natrehina niaraka tamin'i Masina Maria tamin'izany fotoana, dia nivaha avokoa. Ary izy ihany no efa niteny : "Aza miady irery fa andrao resy". Ary ny farany dia noho izy nanao "Eny", nanaiky hatramin'ny farany ny sitrapon'Andriamanitra. Nanaiky izy ary tsy nivadika, izany hoe, vehivavy nahatana ny teny nomeny ka nahatanteraka ny famonjen'Andriamanitra. "Fiainanay ianao, ampinganay, fanantenana ny hoe anilanao. Ry Maria ô, mba tantano ny dianay. Arovy re, fa zanakao izahay". Amen

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...