Talata 11 aogositra 2020 — Herinandro faha-19 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 1-5. 10. 12-14 — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin'i Kristy. Isaory Andriamanitra Ray amin'ny alalan'i Kristy.

0 : 00

Raha akapoka amin'ny teny tokana, dia miompana amin'ny fifampitsimbinana ny votoatin'ny Vaovao Mahafaly androany. Rehefa nametrahan'ny mpianany fanontaniana iray i Jesoa manao hoe : "Iza moa no ambony indrindra amin'ny fanjakan'ny Lanitra ?", dia naka zazalahy kely iray i Jesoa ary nataony teo afovoan'ny rehetra. Ny tiany ahatongavana dia tsy hoe hiverina ho zaza akory isika, na hanao toe-jaza, na hanao sain-jaza, vao hahazo ny fanjakan'ny Lanitra, fa ny zaza dia manana hatsaran-toetra toy ny fahatsorana, izany hoe, tsy tia zavatra afenimpenina, fa tia ny marina ary manana fahazarana hilaza ny marina hatrany. Eo koa ny fahaizany miankin-doha lava amin'ny ray aman-dreniny na amin'ny hafa, izany hoe, mahatsapa fa tsy mahavita tena izy ka mitady sy mila fanampiana avy amin'ny hafa. Ary ny hatsaram-panahy iray hafa dia ny fanetren-tenany, manaiky omena sakafo, manaiky ampianarina any an-tsekoly ary manaiky entina mivavaka.

Noho izany, ny tiana ahatongavana, dia ny olona tsirairay avy izay mitonona ho kristianina, dia tokony, ary tsy maintsy manana ny kalitao ara-panahy ananan'ireny zazakely tsirairay avy ireny dia ny fahatsorana, ny fanetren-tena ary ny filana ny fanampian'ny hafa. Ny olona manana ireo no azo lazaina fa sahaza ny fanjakan'ny Lanitra. Jesoa Fitiavana ô, ao amin'ny hafa manodidina sy miara-monina aminay no endrika isehoanao, fa indrindra ny mahantra sy ny atao anjorom-bala, koa ampio izahay hahay hifampitsimbina amin'ny andavanandrom-piainanay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...