Zoma 31 jolay 2020 — Herinandro faha-17 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 54-58 — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao : Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Amin’ity andro androany ity dia mankalaza an’i Masindahy Ignace avy any Loyola ny Fiangonana, anisan’ny hatsaram-panahy nananany ny mba hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’izay ataony rehetra, ka noraisiny ho tarigetram-piainany mihitsy izany.
Noho izany, ambaran’i Jesoa tamin’ny Evanjely androany fa ny maha olombelona antsika dia tsy misaraka amintsika mandrakariva. Io maha olombelona antsika io no mamatotra ny fomba fijerintsika sy fomba fiainantsika, tsy hisokatra ary tsy hivelatra, manatona ny fomba sy ny tontolo misy an’Andriamnitra. Izany anefa dia mahatonga antsika hiolonolona sy hanava-tena ho mahavita tena samirery, ka manilika an’Andriamanitra sy ny hafa manodidina antsika. Satria, tonga ho azy ao amintsika ny fialonana rehefa mahita ny fivoaran’ny hafa sy ny fahombiazany isika. Ny anton’izany dia tsy ao amintsika ny fanahin’Andriamanitra ary tsy miara miasa amin’Andriamanitra isika amin’izany. Ny zava-niseho tamin’ity Evanjely henontsika androany ity, dia ny fitsikerana sy fitsaratsarana foana ny maha olombelona an’i Jesoa no nibahana tao am-pon’ny vahoaka nihaino azy. Vokatr’izany dia tonga tsy nisy heviny ary tsy nisy dikany izay zava-tsoa nataon’Andriamanitra taminy : io no atao hoe fiavonavonana amin’ny maha olombelona antsika.
Koa raha te hiaraka hiaina sy honenan’Andriamnitra ny fontsika dia ekeo izay mety iraka na solontenan’Andriamanitra miteny amintsika fa aza mijery izay maha olombelona azy, fa ny hafatr’Andriamanitra entiny no raiso. Koa mangataha amin’Andriamanitra, mba ho anisan’ny hifidianany olona irahina ho mpaminany ny fianakaviantsika. Amin’izao andro sarotra manoloana ny areti-mandringana izao, dia maro ny mitady lalana hiviliana amin’ny antson’Andriamanitra miantefa aminy, angataho vavaka mandrakariva izy ireny hifikitra amin’izay efa nofidiany sy narahany.