Zoma 08 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6 — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery amin'ny intsony ny fahafatesana.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Miantso antsika i Jesoa androany tsy hatahotra na hitebiteby. Raha tena mino tokoa manko isika dia ho foana ao anatintsika izany tahotra izany. Izy Kristy ihany no nilaza tamintsika hoe : "Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany". Ity Vaovao Mahafaly aroso ho antsika androany ity dia efa fandrentsika matetika, indrindra rehefa misy fandevenana.

Tsy sitrak’Andriamanitra ny hampiaina antsika ao anatin’ny tahotra sy ny tebiteby fa ny hanala antsika amin’izany aza no ataony. Ny fahasambarana irin’i Kristy hiainantsika no analany antsika amin’izany. Tsy misy olona mandà ny ho sambatra, ary miara-miaiky ny rehetra fa ny fitadiavana izany fahasambarana izany no imasoan’ny zanak’olombelona eto an-tany. Matetika isika no voasarik’ireo sarintsarim-pahasambarana manodidina antsika. Na izany aza anefa dia tsy voafetra ny hasambarana katsahin’ny olombelona ka mahatonga azy tsy afa-po amin’izay atolotra azy na izay ananany.

I Kristy dia nampanantena antsika ny tena hasambarana ; ilay hasambarana ao amin’Andriamanitra ; izay tsy mety levona fa maharitra mandrakizay. Io ilay toerana notenenin’i Kristy tamin’ny mpianany fa omaniny ho antsika. Tsy vitan’izany ihany fa nanoro antsika ny fomba sy ny lalana mankany amin’izany fahasambarana tena izy izany koa i Kristy. Ny zavatra tsapa anefa dia tsy ampy finoana loatra isika olombelona ka zary feno tebiteby sy ahiahy eo am-pisaintsainana io hasambarana natoron’i Kristy io. Izany mazàna no mahatonga antsika hikaroka hasambarana ivelan’i Kristy kanefa dia mitondra antsika any amin’ny fahaverezana izany matetika. Tsarovy koa anefa fa tsy hahazo ny tena fahasambarana marina isika raha tsy amin’ny alalan’i Kristy sy miaraka Aminy, raha tsy miaina sy mitandrina ny didiny sy ny lalàny. Koa miezaha ary mba hanaraka azy satria Izy no lalana mitondra any amin’ny tena fiainana, Izy no Loharanon’ny fahasambarana sy ny fahamarinana rehetra. Angataho Izy mba tsy hamela antsika hisaraka aminy.

Ry Jesoa Kristy Tomponay ô ! Fatra-pitady ny hasambarana mora levona ety ambonin’ny tany izahay olombelona ; koa ampio hitodika Aminao ny fonay ka hikatsaka ilay hasambarana tena izy, dia ilay efa nomaninao ho anay hatry ny ela. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...