Sabotsy 02 mey 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 61-79 — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin'ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin'ny Ranao.

0 : 00

Ny fampianaran’i Jesoa Kristy eto dia mihoatra ny fahalalan’ny olombelona. Tsy vitan’ny hoe tsy azon’ireo nihaino ny fampianarana fa tena tsy eken’ny sain’izy ireo mihitsy. Nisy mantsy no nandray ara-bakiteny ilay tenin’i Jesoa hoe : "Izay nihinana ny Nofoko sy nisotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay".

Hany ka betsaka tamin’ireo tenin’ireo nihaino no niala sy nandao Azy. Manoloana izay ary dia mba te hahalala ny ao am-pon’ireo mpianany koa i Jesoa ka nanontany azy ireo mazava tsara : "Ianareo koa ve mba te hiala ?" ka namalin’i Piera azy hoe "hankany amin’iza àry izahay ? fa Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay". Raha tsorina ny tian’i Piera ambara dia hoe tsy fantatray ary tsy azonay izay lazainao fa izahay kosa anefa mahalala fa ianao no Mesia sy Tomponay, ka vonona izahay hanaraka Anao am-pinoana sy am-pitiavana.

Tsy voatery arak’izay ho azon’ny saintsika olombelona daholo ny voalazan’i Jesoa fa afaka manara-dia Azy isika. Eo ny finoana izay manampy antsika tsikelikely sy ny fampianarana ataon’ny Eglizy mba hiarahantsika Aminy mandrakariva.

Mba hinoantsika sy hanekentsika izay ambaran’i Jesoa àry dia mila mitia Azy amin’ny fontsika sy ny saintsika manontolo isika. Ny fitiavana tokoa no endrika iray tsy ahafahantsika misaraka Aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...