26 avrily 2025 — Sabotsy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 9-15)

Ry havana; efa nolazaintsika teto moa fa averina ihany hoe nitsangan-ko velona i Jesoa ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia midika fa zava-boary vaovao sy tontolo vaovao no tokanana amin’ny nandresen’i Jesoa. Olom-baovao, fiainam-baovao, tontolo vaovao.

Mamintina ireo fisehoan’i Jesoa Kristy tafatsangan-ko velona ny Evanjely anio. Fa misongadina koa anefa ny tsy finoan’ny mpianatra ny filazan’ireo nahita. Izany ny olombelona: mitaky porofo sy antoka sy fanazavana lojika; tsy azo terena atao amboletra rahateo ny finoana, tsy manao an-keriny Andriamanitra fa miteny moramora ao am-po sy manaitra ny konsiany.

Farany; nirahan’i Jesoa hitory ny Evanjely izy ireo. Naveriny amin’ny laoniny ny fitokisany azy ireo na dia efa nivadika taminy aza ireo. Nanankinany ny famonjena an’izao tontolo izao. “Mitoria ny Evanjely amin’ny voary rehetra, hoy i Jesoa”: ny voary rehetra mihitsy fa tsy ny olombelona fotsiny, satria asan’Andriamanitra ny voary rehetra sy izao tontolo izao ka voalahatra ho amin’ny famonjena. Ny fitoriana ny Evanjely amin’ny voary rehetra dia ny fikarakarana azy, ny fanajariana azy fa tsy fandringanana, tsy fanjakazakana, tsy fandripahana. Am-pitokisana tanteraka no iantsoan’i Jesoa antsika ary mbola fitokisana lavitra koa no anirahany antsika sy anankinany amintsika ny famonjena miaraka aminy. Hombany fitahiana anie isika hahaleo hahalasana amin’izany. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...