10 avrily 2025 — Alakamisy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 51-59)
Ry mpihaino hajaina, manakaiky hatrany ny fankalazana ny Paka isika. Tsy sasatra i Jesoa manambara tsikelikely ny marina momba ny tenany amin’ireo Jody. Tsy zakan’izy ireo anefa ny marina izay lazain’i Jesoa. Toetra raiki-tapisaka amitsika olombelona ny tsy fahazakana ny marina. Tsy hahita fahafatesana mandrakizay izay mitandrina ny Teniny, hoy i Jesoa. Tsy azon’i Jody anefa izany satria tsy fantany i Jesoa ary ireo izay fantany, tahaka an’i Abrahama dia nandalo fahafatesana, ka sarotra ho azy ireo no nino an’i Jesoa. “I Abrahama sy ny mpaminany aza maty”, hoy izy ireo, ka nambaran’ireto farany fa azon’ny demony i Jesoa.
Nianoka tao amin’ny fisainana ara-nofo fotsiny izy ireo momba ny fahafatesana fa tsy fantatr’izy ireo ilay hoe ny fanahy dia afaka velona mandrakizay. “Aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe” (Mt10,28).
Mety maty ny vatana amin’ny maha ara-nofo fa ny fahafatesan’ny fanahy kosa no mahavery ny olona any amin’ny afobe na tsy handova ny fiainana mandrakizay. Tsy ny fahafatesana no tompon’ny teny farany eo amin’ny fiainantsika olombelona fa mbola mitohy na ho sambatra mandrakizay na hijaly mandrakizay. Izay mino an’i Jesoa ka mitandrina ny teniny dia handova ilay fiainana mandrakizay, ka ho voavonjy.
Nambaran’i Jesoa mazava fa “mbola tsy àry i Abrahama dia efa Izaho Aho”. Midika izany fa efa teo hatramin’izay i Jesoa, efa teo talohan’ny fahariana izao voaary rehetra izao. Izy ilay nahary antsika niaraka tamin’ny Ray sy ny Fanahy. Noho izany Izy Jesoa dia manana fahefana amintsika na hamery na hamonjy antsika. I Jesoa no lalana sy fahamarianana ary fiainana. Tsy miova na omaly sy anio ary mandrakizay. Jamba tanteraka ny mason’ireto Jody manoloana an’ i Jesoa, mbola maro koa isika no tsy mahalala azy ankehitriny. Tsy fantatrin’ny olona fa ny fahotantsika no nanirahana Azy hidina aty ambonin’ny tany.
Miezaka mampahalala ny tenany i Jesoa ary lazainy fa mpandainga koa Izy raha tsy miteny ny marina momba Azy sy ny Ray. Tsy nanira-tena Izy araka izany, fa nirahina ary nitandrina ny Tenin’ny Rainy. Hiezaka hahalala sy hahafantatra bebe kokoa Azy hatrany isika amin’ny alalan’ny fihainoana sy ny fitandremana ny teniny. Ny tsy fahalalana no mahatonga ny fitsarana amam-bolony. Manana faharetana àry isika amin’ny zavatra rehetra mba tsy hamono ny tsy manan-tsiny sanatria.
Ry Ray ô, kasiho amin’ny fahasoavan’ny Fanahinao Masina izahay mba hisokafan’ny fonay amin’ny fibebahana ka handovanay ilay fiainana mandrakizay. Amen.