8 avrily 2025 — Talata, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Ny tenin’Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 21-30)

Ry mpihaino hajaina, efa manakaiky ny Paka ka ny Soratra Masina dia efa mitarika antsika hiatrika izany sahady. “Handeha Aho ka hitady Ahy ianareo ary ho faty amin’ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha”. Tsy azon’ny Farisianina sy ny Jody izany. Tsy azon’izy ireo eritreretina mihitsy ny lalana izoran’i Jesoa satria tsy fantany, noho izy ireo mbola olon’izao tontolo izao. Izany hoe mbola mitoetra amin’izy ireo ny tsy finoana. Tsy hoe ratsy izao tontolo izao izay naorin’Andriamanitra fa lasa ratsy izy rahefa tsy misy fahalalana an’ilay namorona Azy. Ary notenenin’i Jesoa fa ho faty amin’izany izy ireo satria tsy manana an’Andriamanitra ilay fiainana.

Tsy sitrak’Andriamanitra ny hahavery antsika amin’ny fahafatesana ka nirahiny i Jesoa, ilay zanany tokana. Tsy tonga hitsara Izy fa hamonjy izay mitoetra ao amin’ny haizina. Izy ihany no afaka manala ny fahotan’izao tontolo izao satria Izy ilay avy any ambony. Noho izany, izay mino Azy no ho afaka amin’ny fahotana ary ho voavonjy hiaraka Aminy satria Izy no lalana sy fiainana ary fahamarinana.

Teo indrindra àry no nahatonga ireto Farisianina nanontany hoe: “Iza moa ianao?”. Ho antsika koa izany fanontaniana izany hoe “Iza moa i Jesoa ho Ahy?”. Hamarana ny Karemy isika ka samy handini-tena hoe nahalala an’i Jesoa ve? Izany hoe nifandray taminy ve? Nihaona taminy ve? Nihaino sy niresaka taminy ve? Sa nandalo fotsiny ny Karemy ka tsy nahafantatra Azy akory isika.

I Jesoa no ilay zanak’Andriamanitra tokana manam-pahefana manala ny fahotan’izao tontolo izao satria nahazo fahefana tamin’ny Rainy ary izay tsy manam-pahotana no afaka manala ny fahotana, tsy afaka mifampitarika mantsy ny samy jamba. Ny fahotana ihany no tsy itovizantsika amin’i Jesoa noho izany Izy dia masina tahaka ny Rainy. Nitarika antsika amin’ny fahalavorariana Izy fa tsy nanary antsika rahefa latsaka amin’ny fahotana. Noho izany indrindra dia tsy nangataka amintsika afa-tsy ny finoana Izy.

Nolazainy fa rahefa tafasandratra Izy vao ho fantatry ny olona. Izany hoe, rahefa hitsangana amin’ny maty Izy vao maro no hino Azy. Fototry ny finoantsika ny fitsanganany amin’ny maty ary fanantenantsika mpivahiny. Ka aoka isika hibanjina hatrany ilay fitiavan’Andriamanitra antsika teo amin’ny hazofijaliana.

Ry Ray ô, tsy fantaray ny momba an’i Jesoa Zanakao raha tsy nitsangan-ko velona Izy ka vonjeo izahay amin’ny tsy finoanay. Aza manary anay fa ho velom-panantenana hatrany anie izahay noho ny famindram-ponao tsy misy fetra. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...