19 marsa 2025 — Masindahy Josefa vadin'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana manetriketrika— Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 16. 18-21. 24a)

Ry havana ! Mankalaza an’i Masindahy Josefa, ilay Ray Mpitaiza ny Zanak’Andriamanitra ny Fiangonana androany. Izany hoe i “Josefa Mpitaiza” no ankalazaina anio. In-efatra ambin'ny miverina ny anarany ao amin’ny Testamenta Vaovao; ka ny dimy amin’ireo dia hita eto amin’ny ity Evanjelin’i Masindahy Matio ity. Soritsoritany eto ireo raharaha roa lehibe ankinin’Andriamanitra aminy, izay fototry ny andraikiny maro hafa amintsika olombelona. Inona avy àry izany raharaha roa lehibe izany?

Voalohany, vady madion’i Maria Virjiny i Josefa. Izay no voalaza eto. Averiny in-efatra mihitsy ny filazana azy ho vadin’i Maria. Ary ny famerimberenana in-efatra dia maneho an’ohatra ny vazan-tany efatra izay manondro ny tontolo ankapobeny. Araka izany, dia nasain’Andriamanitra niaro ny fahavirjinian’i Maria manontolo izy, na ara-batana na ara-panahy, indrindra teo anatrehan’ny fiaraha-monina sy ny lalàna Jody nisy azy. Niaro ny fahadiovan’i Maria manontolo i Masindahy Josefa. Faharoa, Ray mpitaiza an’i Jesoa i Josefa. Satria tsy nisalasala izy nanatanteraka izay nandidian’ny anjelin’ny Tompo azy. Nampakatra an’i Maria ho vadiny ary niahy sy namelona an’i Jesoa amin’ny maha-ray azy. I Josefa, araka izany, no nitandrina ny fananan’i Jesoa sy i Maria tao Nazareta. Ka azo lazaina fa izy no mpamonjin’ny Mpamonjy sy mpamelona ny Mpamelona. Mpamonjy ny Mpamonjy izy, satria i Masindahy Josefa no namonjy an’i Jesoa tamin’ny fanenjehan’i Herôda Azy. Ary izy ihany koa no niaro sy niambina an’i Jesoa sy i Maria teny an-dàlan-tsarotra, raha nandositra mbola maizina nankany Ejipta. Mpamelona ny Mpamelona izy, satria i Masindahy Josefa no namelona an’i Jesoa izay Mpamelona an’izao tontolo izao. Izany no raharaha lehibe napetrak’Andriamanitra taminy.

Ka hitantsika amin’izany fa tena niainan’i Masindahy Josefa tokoa ny anarana nentiny. Ny dikan’ny Josefa mantsy dia manampy na mampitombo isa (Jen 30, 24). Ka tena nanampy an’Andriamanitra tokoa izy teo amin’ny famonjena antsika olombelona. Ohatra ho antsika izany. Ka isika ve mba manampy sy mampitombo isa ireo andry ho an’ny fiaraha-monina sy ny Fiangonana sa lasa fototr’olana? Mba manome hafaliana ve sa lasa vesatra noho ny toetra sy fihetsika? Sao olona sarotra hiaraha-monina sy vato misakana? Fa i Masindahy Josefa dia nanampy ary nanampy an’Andriamanitra.

Toetra roa àry no nampiavaka an’i Masindahy Josefa eto izay azontsika halain-tahaka tsara: dia marina sy tsy manalabaraka olona. Lehilahy marina i Josefa; satria ny atao hoe olo-marina ao amin’ny Soratra Masina dia olona sahy mijoro amin’ny fahamarinana sy olona tsy manaraka ny ratsy ataon’ny daholobe (tahaka an’i Noe, ohatra, izay natao hoe lehilahy marina (Jen 6, 9)). Araka ny lalàn’i Moizy mantsy dia tsy maintsy vonoina ho faty (toraham-bato) izay vehivavy azo nijangajanga (Lv 20, 10 ; Dt 22, 22). Saingy araka ny voalaza ao amin’i Jr 3, 8 dia azon’ny lehilahy voafitaka atao ihany koa ny misaotra ny vadiny fotsiny na hoe misaraka aminy, na sazy manalabaraka, dia vita (Os 2, 5. 11-15). Ka noho io lalàna io dia nijoro amin’ny fahamarinana i Josefa, ka nanapa-kevitra hisaraka amin’i Masina Maria. Izay no nahatonga azy saika hametraka an’i Masina Maria. Nefa tsy nanalabaraka an’i Maria izy, satria fantany fa ratsy ataon’ny daholobe izany. Izay ilay atao hoe mangingina, tsy manalabaraka olona. Ary mariky ny tena fitiavana ny tsy manalabaraka olona (1 Kôr 13). Hitantsika araka izany fa lehilahy marina i Masindahy Josefa. Andriamanitra mihitsy no marina (Eks 9, 27). Noho izany dia tsy maintsy olo-marina no hanankinany ny Zanany; ka izany no nifidianany an’i Masindahy Josefa ho Ray mpitaiza an’i Jesoa. Ny olo-marina mantsy dia mahita fitia eo imason’Andriamanitra.

Koa alao tahaka àry i Masindahy Josefa. Mijoroa amin’ny marina toa azy ary mifefe aminy fa kiadin’ny fianakaviana izy.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...