16 marsa 2025 — Alahady Faharoa amin'ny Karemy — Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, re ny feon’ny Ray nanao hoe: “Ity no zanako malalako, henoy Izy” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 28b-36)

I Jesoa niova tarehy moa no resahan’ny Evanjely amintsika amin’ity alahady faha-2 amin’ny Karemy ity. Fa inona tokoa moa no dikan’ny fiovan’i Jesoa tarehy? Dia izao: ao amin’ny Testamenta Taloha, indroa ihany Andriamanitra no niseho. Ny voalohany, tamin’ny fanekem-pihavanana tao Sinaï ao amin’ny Eksaody 19 izay nihaonan’i Moizy tamin’Andriamanitra tany an-tampon-tendrombohitra Sinaï. Ka tamin’izay no nisehoan’Andriamanitra tamin’ny heriny sy ny voninahiny. Ny faharoa, tamin’ny nihaonan’i Elia mpaminany tamin’Andriamanitra tany an-tendrombohitra Horeba 1 Mpanjaka 19 izay nisehoan’Andriamanitra tamin’ny heriny sy ny voninahiny ihany koa. Fa taty amin’ny Testamenta Vaovao dia tsy nisy afa-tsy ity fiovan’i Jesoa tarehy ity ihany no nisehoan’Andriamanitra. Satria eto i Jesoa dia nampiseho ny maha-Andriamanitra Azy na dia olombelona ihany koa aza. Ka ity fiovan’i Jesoa tarehy ity no fisehoan’Andriamanitra ato amin’ny Testamenta Vaovao.

Araka izany, ireo izay efa nahita an’Andriamanitra no niresaka taminy. Izay no mahatonga an’i Moizy sy Elia teo anilan’i Jesoa; satria ny fahatanterahan’ny lalàna (tamin’ny alalan’i Moizy) sy ny mpaminany (tamin’ny alalan’i Elia) dia ao amin’i Jesoa no tanteraka. Ka ny fisehoan’i Jesoa amin’ny maha-Andriamanitra Azy eto dia milaza amin’i Piera sy i Jakôba ary i Joany fa mahefa ny zavatra rehetra Izy; ka tsy maintsy ho tonga amin’ny voninahiny. Koa na dia handalo fijaliana sy fahafatesana aza Izy dia tsy maintsy handresy. Saingy tsy azon-dry zalahy ireto izany na dia efa nanambara mialoha aza i Jesoa ao amin’ny toko faha-9, 22. Tsy azoazony satria nampoiziny fa tsy ho faty ny Mesia. Tsy maintsy hijaly sy ho faty nefa ny Mesia fa hitsangan-ko velona aorian’izay, ary mikasika izany indrindra no resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’i Moizy sy Elia teo, izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema. Izany hoe tsy maintsy mandalo fijaliana aloha vao mahazo fahasambarana.

Ka fotoanan’ny Karemy izao, fotoana handinihan-tena, hijerena ny toetra ratsy sy fihetsika ratsy tokony hiovana sy hialàna. Inona àry no tokony hatao hahafahantsika tena miova toetra marina tokoa araky ny voalaza eto? Ny atao voalohany dia mivavaka. “Raha mbola nivavaka i Jesoa, hoy izy, dia niova toetra ny Tarehiny ary tonga fotsy be ny fitafiany”. Ny tarehy dia manambara “fisiana” (présence) ao amin’ny Baiboly (Eks 33, 14-15), izay maneho ny fahamendrehan’ny olona iray sy ny lazany. Ny fitafiana kosa dia maneho ny “maha-izy azy” (personnalité) ny olona iray sy ny asany (Alban CRAS). Araka izany, rehefa nivavaka Izy dia niseho ny fahamendrehany sy ny maha-Izy Azy ary tonga teo Aminy ny mponin’ny lanitra (Moizy sy Elia, feo tao anaty rahona, hazavana). Tonga feno voninahitra Izy rehefa nivavaka (izay ilay loko fotsy manjopiaka). Toy izany koa no niseho tamin’Izy natao Batemy ary voalaza ao fa nivavaka Izy (Lk 3, 21). Izany no midika fa ny vavaka no mitondra antsika mankany amin’Andriamanitra. Ary ny vavaka no mampiditra an’Andriamanitra ao amintsika, ao anaty fanahintsika, ao amin’ny maha-isika antsika, ka ahafantsika miova toetra. Izany hoe ny vavaka no hahafahan’Andriamanitra manova ny toetrantsika ho tonga olom-baovao madio tanteraka ho mendrika Azy. “Ny vavaka manova zavatra”, mainka fa olona.

Ny atao faharoa dia mandalina ny Tenin’Andriamanitra. Izany dia hambaran’i Moizy sy Elia niresaka tamin’i Jesoa teo. Satria ireo toetra tokony hiovantsika dia efa voalaza ao amin’ny lalàn’i Moizy sy ny Mpaminany avokoa. Ohatra izao ao amin’ny Lv 19, Andriamanitra milaza hoe: “Aza manely fanaratsiana eo amin’ny firenenao”. Milaza toetra tokony hiovana izany ho an’ny olona tia manaratsy olona sy manome oha-dratsy ny hafa. Toy izany koa ao amin’i Iz 58: “Moa ny miondri-doha hoatra ny zozoro va no fifadiana tiako? Fa tsy ny miantra ny mahantra”. Milaza toetra tokony hiovana izany ho an’ny olona tsy mahay mifady. Noho izany, ny fandalinana ny Tenin’Andriamanitra no ahafahantsika miova toetra.

Ny fahatanterahan’izany rehetra izany anefa dia tsy aiza fa ao anatin’ny Fiangonana, izay hambarany amin’i Jerosalema eto. Ao anatin’ny Fiangonana irery ihany fa tsy eny ivelany akory no ahafahantsika miova toetra. Satria ao no hamonjen’Andriamanitra antsika. Manantona àry Fiangonana ary mazotoa mivavaka. Koa manàna faharetana sy fanantenana, fa tsy misy fiovana eo noho eo izany; fa mandeha tsikelikely ny fiovana ao anaty. Ka mitaky faharetana, fihafiana sy fijaliana izany.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...