8 marsa 2025 — Sabotsy, manaraka ny Lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 27-32)
Ambaran’ny Evanjely eto ny niantsoana an’i Levi na i Matio ka nahatonga azy nibebaka, lasa nanaraka Azy Jesoa. Amin’izao karemy izao toa miantso antsika koa i Jesoa hanaraka Azy hiakatra ny Kalvery sy himbom-pijaliana Aminy ka ho tonga hatrany amin’ny fasana foana; izany hoe ny fitsanganan-ko velona izany. Handevina ao am-pasana ireo karazam-pahotana mamatopatotra antsika tsy hiombona tanteraka Aminy, misintona antsika hiverin-dalana, tsy hiakatra hananika ny Paka fandresena. Mila mahafoy ny fahazaran-dratsintsika isika, toy ny nataon’i Levi eto rehefa hanara-dia an’i Jesoa: nafoiny ny zavatra rehetra, ny famorian-ketra, ny maha mpiasam-panjakana azy ka naleony nanaraka Azy Jesoa, niteny taminy hoe: “Manaraha Ahy”. Heverina ho ambony kokoa ilay arahina noho izay nafoy matoa mahafoy. Teny tokana ihany nambabo ny fony; fa ny antsika efa toriteny firy izay no heno nefa mbola izao ihany isika, toa tsy babo akory ny fontsika, fa toa manentsi-tadìny amin’ny antsony hibebaka. Aza mazan-doha na manamafy hatoka na manampin-tsofina amin’izany antsony izany isika fa sao ho voa mafy any aoriana. Tsy nangata-panazavana fa avy hatrany dia lasa i Levi. Fanaontsika mantsy ny miady varotra amin’izay iantsoana antsika, mitady tany malemy hanorenam-pangady, mikajikajy ny tombontsoan’ny tena aloha fa tsy manao ho vain-dohan-draharaha izay anirahana. Fotoanan’ny fandinihan-tena lalina izao, fa sady karemy no taon-jobily ka mitaky fibebahana marina.
Mila mitsangana toa an’i Levi isika rehefa hanara-dia Azy Kristy fa tsy hipetraka, hiandry mahazo, mifotetaka eo. Mitsangana: maneho fahavononana, maneho fihetsehana, tsy mijanona amin’ny talohan’ny niantsoana fa efa miova fanao sy fomba.
Efa hatramin’ny andron’i Jesoa ny fiarahan-dia: tsy i Levi ihany no tao amin’ny fanasana nataony fa teo koa ny “Poblikanina sy olon-kafa betsaka koa niara-nihinana taminy teo” fa tao koa i Jesoa izay nanaovany fanasan-dehibe ka namaly sy tonga tamin’izany. Niray petsapetsa tamintsika Ilay Zanak’Andriamanitra, afa tsy tamin’ny fahotana, mba hanavotra antsika mpanota. Ilaina ny manetry tena toa an’i Jesoa mba hanavotany ny mpanota fa tsy mety ny mihaninkanina any ambony any, miaro seza fotsiny, tsy mivoaka na midina ifotony akory fa amin’izany meteza manao ny nataon’i Jesoa: tsy nanota. Fakam-panahy mantsy izany fa noreseny mandrakariva. Tsy tian’Andriamanitra ny ota fa ny mpanota kosa tanarahany fitiavany mandrakariva, antsoiny aza mba hibebaka. Aoka tsy himenomenona na himonjomonjo na himonomonona toy ny Farisianina sy mpanora-dalàna isika fa ho mpanota mibebaka, mila famonjena. Aoka isika tsy hihevi-tena ho salama sy marina fa hanetry tena rehefa mandinika tsara ka hiaky fa marary sy mpanota mila fibebahana.
Ny fiara no tsy mety raha mifampikasoka na mifandona na kely fotsiny aza fa manjary accident fa isika kosa tsara kokoa, indrindra amin’izao karemy izao ny mifanohitohina sy mifanohatona mandrakariva hanatratrarana miaraka ny Paka fandresena. Koa alao hery e!