4 marsa 2025 — Talata, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)
Tohin’ny Evanjely teto aloha ity teo ity. Toa te hiteny i Piera hoe efa vitanay avokoa ny dingana arahina ka ahoana ny aminay! Ny hafa aza moa hasoaviny, tsy mainka ve ny mpianany nofidiany! Nahazo valiny mazava izy: izay mahafoy hahazo valiny ety an-tany ka hatrany an-danitra. Rehefa tena mahafoy tsy ho very anjara izany. Rehefa mahafoy fananana na olona, noho ny fitiavana an’i Jesoa sy ny Evanjely dia mahazo zato heny ety an-tany, ankoatra ny fiainana mandrakizay. Fa rehefa mahafoy dia afoy tokoa fa tsy mitapikipikitra amin’ireny na mbola voafatopatotra any ho any. Tsarovy tsara ny tenin’i Jesoa fa rehefa afoy, satria namidy, dia tsy miverina ho an’ny tena intsony fa mbola omena ny mahantra, avy eo vao manaraka Azy. Izany hoe tsy miverina ho an’ny tena mihitsy. Fa mahazo zato heny, ambony kokoa.
Rehefa zohina akaiky ireo afoy ireto: trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, izany hoe ny tena akaikin’ny tena sy ny fananana dia hivaly ihany dieny ety an-tany fa lasa zato heny: trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany. Izany hoe tsy ho azo ny zato heny raha tsy nahafoy aloha. Ary tsy hoe afoy fotsiny amin’izao fa noho ny fitiavana an’i Jesoa sy ny Evanjely. Midika izany fa ny fitiavana mitaky fahafoizana. Aoka ho voalohan-daharana amin’izany i Jesoa sy ny Evanjely. Ety an-tany efa mahazo zato heny fa ny fiainana mandrakizay any ankoatra, ka aiza indray no mahita ohatran’izany?
Diniho fotsiny ny fiainan’ireo olom-boatokana fa lasa mivelatra kokoa ny fianakaviany amin’ireo iray ankohonam-piainana aminy, ireo rehetra iray fikambanana aminy, amin’ireo toerana anirahana azy. Fa tsy ry zareo ihany fa na isika koa aza rehefa mirotsaka amin’ireny fikambanana masina sy vaomieran’asa na ireny firohotana ireny, toa manjary toy ny fianakaviantsika ihany koa izy ireny, ao koa ireny iray Ankohonam-piangonana fototra ireny…Ny dikan’ny hoe: “Na dia ao anatin’ny fanenjehana aza”, dia tsy moramora ny fanaraha-dia Azy fa na anatin’ny sarotra aza, mipetraka foana ny zato heny. Ny fahaiza-mandray ireny sedra ireny, manampy antsika hanamafy sy hampitombo ny fitiavana Azy.
Fa eo koa aloha ny fahasahian’i Piera niteny tamin’i Jesoa hampazava izay maneloelo na mampisalasala tao an-tsainy tao. Mila sahy miresaka isika fa tsy matahotahotra na menamenatra, indrindra amin’Andriamanitra. Fa hoy ny fiteny hoe: “tsy misy mangataka voa-tehamaina” sy “aleo manontanitany foana ihomehezana toy izao manaotao foana ibedesana”. Aleo mifampiresaka toy izay mitahiry any am-po ny zavatra tsy mazava ka manjary manimba tena sy manasoketa ny hafa.
Mahakasika ny olon-drehetra ny fampianaran’i Jesoa fa tsy manavaka Izy. Ka tsy mety ny hoe very ankoatranay! Koa aoka isika hahafoy izay manakantsakana antsika tsy hanara-dia an’i Jesoa noho ny fitiavana Azy sy ny Evanjely. Tsarovy fa tsy mila tambiny ny tena fitiavana.