Sabotsy 25 aprily 2020 — Masindahy Marka Evajelista — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 15-20 — Izahay kosa mitory an'i Jesoa Kristy voafantsika ; i Kristy herin'Andriamanitranitra sy fahendren'Andriamanitra.

0 : 00

Rahefa tanrerak’i Kristy ny nanirahan’ny Ray Azy, momba ny famonjena an’izao tontolo izao dia naniraka ny Mpianany Izy. Io fanirahana io no mampiharihary fa ny voaary rehetra no tian’Andriamanitra hahazo ny famonjena. Ka ny finoana ny Vaovao Mahafaly milaza fa nitsangan-ko velona i Kristy dia efa midika ho famonjena ho an’ireo mino. Ary izay finoana izay dia miseho amin’ny fandraisana ny Batemy.

Isika olombelona no nahatongavan’i Kristy, isika no nahafoizany ny ainy sy ny nitsanganany ho velona. Koa meteza hino Azy sy hizotra amin’ny lalana itondrany antsika mba hahazoantsika ny famonjena.

Ny fisian’ireo famatarana, ho an’ireo irahina eto, dia mampiharihary ny fahatongavan’ny fanjakan’Andriamanitra ary Izy nakarina any an-danitra sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra dia midika fa Mpanalalana antsika Izy ary miara-miasa mandrakariva amin’ireo irahiny hanohy ny asany.

Ity Evanjely ity indrindra no maneho amintsika mpino fa eo anivontsika mandrakariva i Kristy, ao amin’ny Fiangonana mivory amin’ny anarany sy manohy ny asany ary tsy mamela antsika ho irery. Aoka tsy hataontsika antsirambina ny fiombonantsika ao amin’ny Fiangonana, sehatra iainana sy ifampizarana ny finoantsika an’i Kristy. Ary enga anie isika tsy hihambo mahavita-tena eto anivon’ity tany ity fa hiantehatra mandrakariva amin’ny herin’i Kristy, fa Izy nitsangan-ko velona no ampinga sy aro ho antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...