Zoma 24 aprily 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15 — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka ahy.

0 : 00

Tsy mitsahatra ny mitsinjo sy mihantra antsika olombelona Andrimanitra. Fantany izay maha ory sy ilaintsika na rahoviana na rahoviana. Marika izany fa tiantsika Andriamanitra. Tao amin’ny Zanany indrindra Izy no maneho izany fitiavany izany.

Ny fampitomboana ny mofo, tantarain’ny Evanjely tamintsika teo dia endriky ny fitiavan’Andriamanitra antsika manoloana ny hanohanana sy hetaheta manjo ny olombelona sy ireo olana maro misedra ny fiainany. Fa ao anatin’izany kosa no hitarihany antsika haniry Azy Andriamanitra sy hiombona Aminy mandrakariva ary handray sy hivelona izay zarainy amintsika.

Tsy ny hahavoky ny olona maro fotsiny no tanjon’i Jesoa eto fa ny hampiseho amintsika ny TENANY izay mofo nidina avy any an-danitra manala hanohanana sy hetaheta mandrakizay ka hinoan’ny maro sy handraisany Azy mandrakariva.

Ny Eokaristia, nanafarany indrindra ny mpianany, no anoloran’i Kristy ny vatany sy ny ràny. Ny Eokaristia no andraisantsika Azy mofon’ny fiainana, mampiray aina antsika amin’Andriamanitra sy hahavelona antsika ao Aminy. Koa enga anie ho toe-po madio sy mendrika hatrany no handraisantsika an’i Jesoa Eokaristia, sakafo mahavelona mampiombona antsika amin’Andriamanitra.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...