22 febroary 2025 — Ny Fiketrahan'i Masindahy Piera Apôstôly — Fankalazana — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)

Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany nanao hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”

Ary hoy ireo:

“Ny sasany manao hoe: i Joany Batista,
ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?”

Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:

“Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao ety an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.”

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...