4 janoary 2025 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 35-42)

 I Jesoa sy ireo mpianatra voalohany no resahan’ny Evanjely androany. Manohy ny asany hatrany i Joany Batista, ka nanoro an’ireo mpianany roa lahy an’i Jesoa. “Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra”. Manoro antsika ny làlana tokony harahina moa no asan’ny mpaminany. Ka anjarantsika avy eo no manaraka izay lazainy. Nanaraka avy hatrany ireto mpianatra rehefa nahita an’i Jesoa. Ka rehefa niresaka taminy dia naniry ny hiombona Aminy. “Aiza Ianao no mitoetra”? Fiombonana amin’i Jesoa no ambaran’ny teny hoe mitoetra. Ka ity mitoetra ity dia misy dikany lalina : miverina in-telo izy eto. Raha toa ka miverina in-34 izy ao amin’ny Evanjelin’i Masindahy Joany. Inona àry no hevitra hambaran’io ? Ny mioetra dia monina maharitra mandritra ny fotoana lava, ary fotoana lava mitohy. Ka matoa ireto mpianatra ireto maniry ny hiara-mitoetra amin’i Jesoa dia te hiara-monina Aminy mandritra ny fotoana lava, tsy te-hisaraka Aminy intsony fa hiombom-piainana Aminy tanteraka. Izany hoe te ho lasa iray fiainana amin’i Jesoa. Ary dia niara-nitoetra taminy tokoa izy ireo tamin’iny andro iny araka ny voalaza teo. Izany no milaza fa tsy afaka ny hahatsapa ny hasarobin’ny fahasoavana avy amin’i Jesoa-Kristy isika raha tsy miara-monina Aminy mandritra ny fotoana ela. Ilàna fotoana maharitra ny fiarahan-dia amin’i Kristy. Noho izany, tsy mbola tena vonton’ny finoana an’i Jesoa-Kristy isika raha mbola tsy niaraka taminy nandritra ny fotoana ela. Ka tsy ny adim-pamantaran’andro iray na roa no atao hoe maharitra miaraka Aminy fa ny fitohizan’ny fifampiresahana Aminy tsy tapaka isan’andro. Raha tsy mahavita an’izany isika, tsy afaka ny hiombom-piainana amin’i Jesoa. Ka ny fanatanterahana izany dia tsy mifidy fotoana fa amin’ny fotoana sy toerana rehetra. Izay no dikan’ny ora fahafolo na amin’ny 4ora hariva aty amintsika ity eto; izay ora efa fodiana any amin’ny isan-tokantrano tsirairay avy, ary ora fialana sasatra amin’ny asa. Ary izany ihany koa no antony tsy nilazàna mazava ny toerana nisy an’i Jesoa. Izany hoe amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra no tokony hiarahana Aminy indrindra amin’ny vavaka. Ny vokatr’izay fiarahana amin’Andriamanitra izay avy eo no hahafahana mitarika ny hafa hanantona an’Andriamanitra ka hahafahan’Andriamanitra manova ny hafa. Ohatra ho antsika amin’izany eto i Piera; ny momba azy mihitsy no niova; ary niova ho vaovao izay lasa andry hametrahan’i Jesoa ny fitokiany (izay no atao hoe Sefasy), dia ny Fiangonana izany any aoriana. Koa ny tena fiovam-piainana marina dia ny fiaraha-mitoetra, ny fiombonana amin’i Jesoa. Mahareta àry miaraka Aminy, mahareta miresaka Aminy ao amin’ny vavaka, ao amin’ny Teniny ary ao amin’ny Sakramenta izay raisinao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 marsa 2025

• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie de Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...