2 janoary 2025 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 19-28)

Mijoro ho vavolombelona milaza ny marina momba azy sy momba an’i Kristy i Joany eto. Lazainy mazava eto fa “tsy i Kristy aho”, hoy izy. Ambarany amin’ireo mpanontany azy ihany koa fa tsy “i Elia” izy na “Ilay Mpaminany”. Ny Jody mantsy dia mbola miandry ny hiverenan’i Elia. Ny Jody lazaina eto dia ireo mpanaraka ny fivavahana Jody ary tafiditra ao anatin’izany indrindra indrindra ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farizianina. Voalaza eto mihitsy aza hoe Farizianina ireo iraka ireo. Miandry fatratra ny hiverenan’i Elia izy ireo satria efa voalazan’ny mpaminany fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia vao ho tonga ny andron’ny Tompo Andriamanitra (Ml 3, 23 // Mt 17, 10). Ka izany no mbola mibahana ao an-tsain’izy ireo ary fantany tsara izany satria mahay ny Soratra Masina izy ireo. Toy izany koa ny momba Ilay mpaminany handrasany. Izao no voalaza momba azy io : “Hanangana mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanao, eo amin’ny rahalahinao, ny Tompo Andriamanitrao” Dt 18, 15.

Niantehitra tamin’io Dt 18, 15 io ny Jody ka niandry ny Mesia ho toy ny Moizy
vaovao. Io no antsoiny hoe Ilay mpaminany ary mpaminany fanaperana io andrasany io. Dia tsy iza fa ny Mesia. Satria ao amin’ny Mesia vao tanteraka tsy misy tomika ny tena faminaniana sy ny fanjakana ary ny fisoronana. Ka na i Moizy izay fototra niankinan’ny Testamenta Taloha aza dia mbola ambany lavitra noho Izy; ary ireo mpaminany sasany aza moa dia nanarak’efa an’i Moizy fotsiny. Izany hoe Ilay mpaminany, dia ny Mesia izany, no tena fanaperana indrindra amin’ny irak’Andriamanitra ho an’ny Jody. Koa rehefa tsy i Joany izany, dia iza àry? Satria toa manao Batemy i Joany. Fantatry ny Farizianina tsara mantsy fa tsy ny karazan’olona rehetra no manao Batemy fa izay nirahan’Andriamanitra ihany: dia na i Kristy na i Elia na Ilay mpaminany (Mesia). Saingy mazava ny valintenin’i Joany eto hoe efa eo aminareo i Kristy dia ny Mesia, Ilay andrasanareo, Ilay Mpaminany fanaperana, fa tsy fantatrareo. Ka ireo fanontaniana an’i Joany ireo eto dia tsy inona, fa manondro an’i Jesoa daholo ireo: i Kristy Izy, i Elia Izy ary Mesia Izy na Ilay Mpaminany fanaperana. Saingy donton’ny avonavon-tsaina ny Jody ka tsy nahalala ny fisian’Andriamanitra eo anivony na dia efa misy manambara aza.

Izany ihany koa no tokony hampandinika antsika. Sao dia efa eo anoloanao, efa eo anatrehanao ao amin’ireo olony sy ny mahantra Andriamanitra fa tsy fantatrao? Satria feno avonavon-tsaina laotra ianao ka tsy mandray afa-tsy izay efa fantatrao ihany. Tadidio anefa fa Andriamanitra tsy mitoetra ao amin’ny olona be saina manambany olona fa ao amin’ny olona manetry tena sy matoky ny hatsaram-pony Izy no mitoetra. Ohatra ho antsika amin’izany i Joany eto. Nanetry tena izy mba hampisehoany an’i Kristy. Toerana fiampitàna fotsiny aho, hoy izy; izany no dikan’ny teny hoe “Betania” na “Betabarà” (toerana fiampitàna). Ka tsy ilay tanàna fonenan’i Lazara telo mianadahy akory ity Betania voalaza eto ity fa ilay tanàna teo amoron’ny reniranon’i Jôrdana. Izany no midika fa mampita antsika, mampiditra antsika ary mampahafantatra antsika an’i Jesoa-Kristy i Joany fa tsy nampahafantatra ny tenany akory izy. Izany no tena fanetren-tena: manasongadina an’Andriamanitra fa tsy manindrahindra tena; tsy ny tenanao no asongadina fa Andriamanitra. Koa alao tahaka àry i Joany.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 marsa 2025

• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie de Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...