21 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 39-45)
Henontsika tamin’ny Evanjely teo ny famangian’i Maria an’i Elizabeta rahavaviny. Niainga i Maria: niala teo amin’ny toerana nisy azy, ho any an-toeran-kafa. Isika koa vita Batemy ka tsy tokony hipetrapetraka fotsiny amin’izao fa mila miainga, miala, mihetsika, mandeha fa tsy mijanona na sanatria koa mihemotra fa mila mandroso amin’ny lafiny rehetra, indrindra ny ara-panahy satria IRAKA. Ka tsy ampy araka izany ny hoe: kristianina tsotra fotsiny fa tsaratsara kokoa kristianina mirotsaka, mandray andraikitra, tsy mifidy tany iadiana, na mitady tany malemy hanorenam-pangady. I Maria aza eto nandeha haingana, angamba noho ny tahotra satria namakivaky tendrombohitra, nefa tovovavy kely iny, na koa maika hizara hafaliana amin’ny rahavaviny, fa dia nandeha haingana aloha. Ka modely ho antsika izany, rehefa manatanteraka ny asan’Andriamanitra aoka haneho fahazotoana ka ho maika, araka ny tenin’i Masindahy Paoly hoe: “Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mba mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e!” (Rom 12, 11) Misy mantsy ny sasany amintsika tsy rototra amin’ny asan’Andriamanitra fa raha amin’ny zavatra hafa kinga sy mailaka ery! Enga anie ka tsy ho isika izao izany. Ny tany be tendrombohitra midika fa matetika misy sedra tsy maintsy lalovana amin’ny asa atao kanefa tsy mahazo kivy na reraka. I Maria efa nitondra an’i Jesoa tao an-kibony ka azo antoka fa niantehatra taminy hatrany. Fa isika koa tsy irery manao ny asan’Andriamanitra fa miara-dalana mandrakariva amin’Izy Jesoa tompon’ny asa sy maniraka antsika.
Nisy fihaonan’ny samy mpirahavavy, rehefa tonga tany amin’i Elizabeta i Maria, samy mitondra vohoka moa, hany ka feno hafaliana sy firavoravoana na izy mirahavavy na ny tao an-kibony avy. Ny feon’i Maria ren’i Elizabeta, niarahaba azy, nampientana ilay tompon’ny feo hiantso any an’efitra mbola tao an-kibony, dia i Joany izany, ho mpisava lalana an’Ilay ao ankibon’i Maria dia i Jesoa. Ny feontsika, ny tenintsika misy akony amin’ny hafa ka mila mitandrina isika. Porofo koa izany fa misy hasina ny aina na mbola any am-bohoka aza ka tsy mety ny manala azy fa sarobidy sy saro-pady. Ankoatra izany, azontsika tsoahina koa tamin’izany fihaonana izany hoe: inona no fanaontsika rehefa tafahaona, na rehefa mivory anatin’ny fikambanana ohatra: mifampizara hafaliana, ny soa sy ny tsara ka tsy te hisaraka mihitsy sa sanatria ny mifanohitra amin’izany ka mifosa sy mitsikera na manenjika fotsiny izay tsy eo? Dia ohatran’izany hatrany! Fotoanan’ny Fiavian’ny Tompo izao, efa akaiky ny Noely ka mila mandini-tena isika mba ho hafaliana tokoa sy fivoarana ho amin’ny tsara hatrany ny entiny amintsika ka hanana zotom-po toa an’i Masina Maria nandeha nifampizara hafaliana tamin’i Elizabeta rahavaviny.