15 desambra 2024 — Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo— Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 10-18)

Amin’izao alahady fahatelo amin’ny Fiavian’ny Tompo, taona D izao, alahadin’ny hafaliana; atolotra antsika ny lohahevitra hoe: “Tsy mba mandao Andriamanitra, fa fitiavana”. Fa naroso tamin’ny Evanjely kosa ny resaka nifanaovan’ireo karazan’olona tamin’i Joany mpanao batemy mikasika izay dingam-pibebahana irosoany ka nanontaniany hoe: “inona àry no ataonay?” araka ny karazany avy: tao ny vahoaka, ny poblikanina ary ny miaramila.

Ny vahoaka no nanontany voalohany. Isika koa vahoaka, fa tsy an’ny mpanao politika ka na roa na telo na zato na arivo na alina dia lazainy fa vahoaka foana rehefa miteny izy ireny, fa vahoakan’Andriamanitra! Valiny: fitodihana amin’ny hafa fa tsy amin’ny tena samirery, tsy manao salobon-komana.

Eo koa ny poblikanina nanontany azy hoe: Inona no hataonay, ry mpampianatra ô? Poblikanina: olona faneso sy fanaratsin’ny olona satria maka tombony be amin’ny hetra takiany, amin’ny asa fanaony. Fa tsy nahamenatra azy ireo izany fa nanatona an’i Joany hatao batemy sy nanontany azy izay tokony ho ataony. Valiny: atao ampahamarinana izay atao, tsy tia kely.

Ireo miaramila koa nanontany azy hoe: “Ary izahay kosa, inona no mba tokony hataonay?” Nibebaka hatramin’ny mpitandro filaminana. Valiny: fahaiza-miaina.

Samy nahazo valiny tamin’i Joany ireo karazan’olona ireo satria te hibebaka. Fa isika ihany koa amin’izao vanim-potoana lehibe amin’ny Eglizy izao, ny Fiavian’ny Tompo izany, dia tsara manontany hoe: Inona no ataonay. Solon’i Joany ny Eglizy eto ka ny mpandraharahany afaka manome valy antsika isan’andro sy amin’ireny fiatahana masina ataontsika ireny. Izao koa anefa, mpialoha lalana i Joany fa efa tonga i Jesoa Kristy, araka io efa ambaran’i Joany io: “avy Ilay mahery noho izaho” ka azo atao tsara ny manontany azy isan’andro, mivantana hoe: “Inona no tianao ataoko?” Fa tsy amin’izao fotoana izao ihany. I Jesoa no atorony eto fa tsy ny tenany na olon-kafa ka aza mitady hafa intsony fa Izy ihany tadiavina sy ianteherana amin’izay atao rehetra.

Tsara alain-tahaka ihany koa ny fanetren-tenan’i Joany eto: Ilay mahery noho izaho, tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho. Betsaka fizahozahoana, fiderana sy fanandratana ary fanambonian-tena mantsy matetika ny antsika. Tsy toe-tsaina kristianina velively izany. Izay manetry tena ihany no asandratra re! Izay mahay midina ihany no ampiakarina.

Farany: Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona. Ilaina ny fananarana fa misy amintsika mantsy efa tsy laitran’ny balan’ny fananarana intsony, eo koa ireo miala bala matetika. Misy aza moa miteny hoe: “Aza mifampiteniteny intsony”. Tsarovy fa isan’ny fitoriana Evanjely io fananarana io, araka ny hitantsika eto. Tsarovy koa fa tsy bala rora akory ny Evanjely fa fananarana, fitoriana azy Kristy, toy ny sabatra maranitra laniny roa ka mety mahavoa ny aty fanahy sy ny fo.

Enga anie ho henika hafaliana isika amin’izay atao rehetra vokatr’izao fankalazana ny alahadin’ny hafaliana izao, indrindra eo amin’ny valin’ny fanontaniana hoe: “Inona àry no hataonay?”

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 desambra 2024

  • Hisokatra ho an'ny olon-drehetra manomboka ny 26 desambra 2024, ny fiofanana mikasika ny “Accompagnement spirituel” sy ny “Discernement spirituel”, karakarain'ny Fikambanan'ny Masera Cénacle eto Madagasikara...
  • Mbola ao anatin'ny fankalazana ny faha-150 nahaterahan'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ny Fikambanan'i Karmely eto Madagasikara ankehitriny. Noho izany, mikarakara lalao fifaninana ny fikambanana...
  • Nihaona tamin'ireo olom-boatokana tany Corse ny Papa François ny alahady 15 desambra 2024, nandritra ny fitsidihana nataony tany...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...