3 desambra 2024 — Talata, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo— Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 10, 21-24
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina ka nanao hoe :
“Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry,
fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa.
Eny, Raiko, fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray,
na ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanambaràna Azy.”
Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy
ka nilaza taminy manokana hoe :
“Sambatra ny maso mahita izay hitanareo
fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka
naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita,
ary handre izay renareo, fa tsy nandre.”