24 nôvambra 2024 — I Jesoa Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao — Fankalazana manetriketrika— Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 18, 33b-37)

Indro i Jesoa dia mpanjaka fa tsy mpanjaka araka ny fomban’izao tontolo izao, satria tonga hanjaka ao am-po fa tsy handidy hanapaka toy ny fomban’ny olona. Tsy azon’i Pilaty izany. Manjaka ao am-pontsika i Kristy rehefa miaina ny marina isika.

Ka tamin’ny Fahamarinana sy ny Fitiavana tokoa no naneken’i Jesoa hanolotra ny aina hamonjena ny olona, ilay mpanjakan’ny fahamarinana sy ny fitiavana. Ohatra nomeny antsika ary lalana nasehony antsika mba harahantsika nefa tsy tiantsika indraidray, satria manan-javatra hafa te hampajakaina ao am-pontsika isika, mety ho fanjakan’ny fitiavantena miseho amin’ny endriny maro samihafa, ary miseho amin’ny seha-piainana maro.

Nefa raha te ho tonga mpianatr’i Kristy marina isika dia tsy maintsy ianarantsika izany lesona avy amin’i Jesoa izany, ary koa avy amin’ireo maritiora rehetra ao amin’ny finoana. Zava-dehibe ny mianatra izany tsy ho an’ny tenantsika ihany fa ho famonjena fanahy koa, satria ao amin’Andriamanitra dia tonga fahasoavana ny zavatra rehetra, lasa fiainana mandrakizay ny zavatra rehetra… na dia tena sarotra amintsika aza ny manaiky, ary mbola sarotra kokoa aza ny mahatakatra, fa Andriamanitra dia afaka manafaka antsika amin’ny heriny.

Ka ny finoana dia tsy resaka fahatakarana loatra fa fo mahay mandray ny zavatra rehetra avy amin’ny tanan’Andriamanitra. Tahaka ireo olomasina sy ireo maritiora zokintsika, ny finoany sy ny fiainany dia tsy nifototra tamin’izao tontolo izao fa nitodika tany an-danitra. Ka ny fiarovana ny rariny maha olombelona, ary ny fitiavana no hany lalana netin’izy ireo nampanjaka an'i Kristy. Ny fiainany tokoa naneho fa nihaino feon'i Kristy izy ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 14 febroary 2025

• Niompana tamin'ny fanabeazana sy ny fanandratana Olomasina ny votoatin'ny fihaonan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny iraka natony tany amin'ny Fiketrahana Masina... • Ao anatin'ny fahalemena no tokony handinihana ilay hery mahagaga nananan'i Jesoa Kristy, hoy ny Ray masina tamin'ny fampianarany, nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo... • Hankalazaina ao Roma ny 15 hatramin'ny 18 febroary 2025 ny Jobilin'ny mpanakanto, izay mitondra ny lohahevitra hoe: “Mamelona fanantenana ny zava-kanto”...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...