18 nôvambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona— Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 35-43)

Ry havana; mandalo ao Jerikô i Jesoa, tanàn-dehibe iray andalovana raha hiakatra ho any Jerosalema. Tanàna deboka satria ambany toerana ka maloka; tandindomin’ny haizina no dikan’izany. Ka isaky ny mandalo ao i Jesoa dia manala olona ao anaty haizina. Eto izao dia manasitrana jamba Izy, izany hoe manala olona anaty haizina mitondra azy ho eo amin’ny mazava; manala azy hiala ao amin’ny aloky ny fahafatesana ka mitondra azy ho amin’ny fiainana.

Naneho finoana ilay jamba ka niantso hoe “Ry Jesoa zanak’i Davida, mamindrà fo amiko”. Mesia no antsoina hoe zanak’i Davida; famindram-po no nangatahany satria mafy lavitra noho ny aretim-batana ny aretim-panahy. Na dia norarana aza izy dia vao mainka niantso mafy kokoa. Ary nitsotra izay tiany ho azo tamin’i Jesoa. I Jesoa kosa nampiantso azy sy nanasitrana azy noho ny finoany.

Eny amin’ny lalan-kizorantsika eny i Jesoa no mitondra hazavana; antsoy ny anarany dia ilay anaram-pamonjena; ka na misy manakantsakana aza, na tebahina sy esoina, dia vao mainka miantsoa mafimafy kokoa hatrany ihany. Hahita mazava an’i Jesoa anie isika ka hanaraka Azy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...