17 nôvambra 2024 — Alahady Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona— Miambena sy mivonòna ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 24-32)
Maro ireo mpaminany sandoka nihambo ho nahalala ny farandro, nanonona daty mihitsy aza, kanefa tsy izany no izy; misterin’ny Ray izany, hoy i Jesoa, ka na ny anjely na ny Zanaka aza tsy misy mahalala. Lainga sy fitaka entina hanakorontanana saim-bahoaka izany. Ho avy ny Tompo, ho avy amim-boninahitra sy hery lehibe. Aleo mihitsy tsy fantatra izany fotoana izany sao halaim-panahy hiatsara velatsihy isika, hanjeny ny andro ho lava izao fa rehefa akaiky vao mody hiomana sy hikoropaka hanomana. Aleo tsy fantatra dia amin’izay miomana isan’andro.
Hiverina i Kristy amin’ny farandro, hoy ny foto-kevitra. Androm-pamonjena izany, androm-panavotana, koa andeha omanina. Handray lehibe eto an-tany aza miomana fatratra, mainka fa handray an’i Jesoa Andriamanitra. Aoka hifantoka bebe koa hatrany ny fo amam-panahintsika, ka na miondrika mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany aza dia hiandrandra ny mandrakizay. Amen.