11 nôvambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 1-6)

Raha manam-pinoana ohatra ny voatsinampy iray ianareo dia mahazo milaza amin’io voaroy hazo io hoe miongota ka mifindrà any anatin’ny ranomasina dia hanaiky anareo izy. Ny finoana no ahafahana manongotra ny zavatra mety ho lalim-paka tanteraka, heverina fa efa tsara faniry toy ny voaroy ka tsy azo havarina any anaty ranomasina intsony. Ny finoana no ahafahana manesotra ny zavatra mety mibahana ao anatin’ny fiainana, ny zavatra mety heverina ho tsara sy ilaina saingy tsy maintsy hongotana satria manimba ny tany tsy hahafahany manome araka izay liana azy.

Fa inona ny finoana? Ny tapany voalohany nahatonga ny Apostoly hangataka mba hampitomboina ny finoany satria heverina fa sarotra ny mamela heloka; tsy maintsy misy ny fanafintohinana, hoy i Jesoa, fa loza ho an’izay hiaviany. Manaja ny fahafahantsika Andriamanitra satria tia antsika ka raha sanatria misy olona mitarika ny hafa ho amin’ny ratsy manafintohina dia mbola avela heloka koa ve izy? Tsy sanatria fanamelohana ho faty no lazain’i Jesoa amin’ny famarinana anaty ranomasina, tsy ny hanameloka izay mety ho niavian’ny fanafintohinana no iantsoany ny mpianany, fa hitandrina mba tsy hahatafintohana ny hafa ary hitady izay fomba rehetra mba hampibebahana izay mety mahavanon-doza.

Raha diso amintsika aza ny rahalahintsika dia tsy ny sazy fa fananarana no tokony atao azy, hanoro izany hoe tenenina mafy, io no hilazan’i Jesoa ny fandroahana ny demony saingy tsy hadinoina ny zo maha olona sy ny hasina maha rahalahy azy. Mijanona ho rahalahy foana na dia nahavita ratsy aza, izay no teboka iaingan’ny famindram-po. Tsy manafangaro ny ratsy vitan’izay manao azy, raha mibebaka izy dia avela; tsy azo adinoina anefa fa ny famelana no mialoha ny fibebahana, tsy hoe mifanohitra amin’ izay no voalaza eto fa kosa manamafy fa raha tsy misy fibebahana dia tsy mamokatra akory ny famelana noraisina. Tsy afaka ny ho sambatra izay mihevitra ny handeha hikonfesy nefa mikiry biby tsy manisy akony hiala amin’ny ota mahazatra, mamita-tena ihany. Ny fibebahana anefa tsy indray andro, ialana tsikelikely ka ny fieverana mangataka famelana no ahafahana ho masina isan’andro. Izany no tsy maintsy hamelana mandrakariva. Izany no hivavahana mba hahalalantsika sy ahatsiarovantsika foana fa mialohan’ny hamelantsika dia efa navelan‘Andriamanitra koa isika.

Ny tokony ho toetran’ny mpianatr’i Kristy: miala amin’ny fanafintohinana, tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana nefa lozan’izay mahatonga izany dia ny toe–javatra izay mitarika ho mora latsaka amin’ny fakam-panahy sy sakana tsy ahafahana mitombo amin’ny finoana izany indrindra ho an’ireo kely finoana. Araka izany, na inona na inona fanafintohinana mahazo anao, aoka tsy ianao na avy aminao no hahatonga ny hafa tsy handroso amin’ny finoana satria tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana ny finoan’ny hafa ianao. Ka tandremo ny toetra sy ny fihetsika sao hampihemotra azy ireo ianao.

Faharoa: “sy famelan-keloka fa raha manota ny rahalahinao dia teneno mafy izy ka raha mibebaka izy dia mamelà ny helony. “ Mila maharitra mamela heloka ny mpianatra raha mbola miaiky ny hadisoany ilay rahalahy.Tsy tokony hitahiry alaelo amin’ny sasany. Ny famelana ny heloky ny hafa no ahafahana manadio ny fo satria isika dia ankohonan’Andriamanitra. Mamela heloka ny namanao noho ny amin’ i Kristy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 2 desambra 2024

  • Nosantarina tao amin'ny Distrikan'Ankilikoaka ny fidinana ifotony amin'ny fampiofanana ny katesista, ao amin'ny Diôsezin'i Toliara...
  • Asandrato ny lohanareo ary manana fo velona sy mazava, io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, talohan'ny vavaka Angelus ny 1 desambra 2024...
  • Niangavy ireo mpanao pôlitika Libanais rehetra ny Papa François, mba hifidianan'izy ireo Filohan'ny Repoblika faran'izay haingana indrindra...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...